Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11: "ΙΝΟΝΑ ΜΟΑ NO MBOLA ΑΖΟ ΝΑΤΑΟ (...), KA TSY EFA NATAOKO (...)"— Fampidirana.

Daty
Sabotsy 08 March 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: Jao 18:37; Rôm. 3:23-26; Rôm. 5:8; Isa. 5:1-4; Mat. 21:33-39; Isa. 53:4; Rôm. 3:1-4.

Tsianjery:

"Ary hoy Pilato taminy: Mpanjaka va ary Hianao? Jesôsy namaly hoe: Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao по nihaviako amin'izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin'ny marina dia mihaino ny feoko." - Jao. 18:37.

Taona vitsivitsy lasa izay, nisy tantara mahaliana iray ho an'ny ankizy navoaka tao amin'ny gazetiboky "Guide". Zazalahy iray antsoina hoe Denis no ifantohan'ny tantara. Kamboty notezain'ny fianakaviana iray nandritra ny Vanim-potoana Antenantenany izy. Nankahala tanteraka ny mpanjaka teo amin'ny fireneny i Denis satria, rehefa narary ny ray aman-dreniny, dia nentin'ny miaramilan'ny mpanjaka izy, ary tsy nahita azy ireo intsony. Taty aoriana vao fantany fa nosarahin'ny mpanjaka izy ireo mba tsy hahazo ny sisa velona tamin'izany fotoana izany ny horohoron'ny pesta mainty. Nanaisotra ny fankahalana tao am-pon'i Denis, izay nokolokoloiny saika nandritra ny androm-piainany, ny fahamarinana momba ny mpanjaka. Izay rehetra nataon'ny mpanjaka dia nataony noho ny fitiavany ny vahoakany.

Maro ankehitriny no toa an'i Denis rehefa mihevitra ny momba an' Andriamanitra. Ny faharatsiana hitany na niainany no mahatonga azy ireo hankahala na handà an'Andriamanitra. Aiza Andriamanitra ao anatin'ny fijaliana? Raha tsara Andriamanitra, nahoana no be ny faharatsiana? Manampy antsika amin'ny fahatakarana izany lohahevi-dehibe izany ilay fifanandrinana lehibe, saingy fanontaniana maro no mbola mipetraka. Kanefa, rehefa tsy afa-po amin'ny ezaka rehetra ataontsika mba hahazoana valiny isika, dia afaka mibanjina an'i Jesôsy teo amin'ny hazo fijaliana ka mahita ao Aminy fa azo itokiana Andriamanitra, na dia mikasika ireo fanontaniana rehetra tsy mbola voavaly hatramin'izao aza.

*Famerenana ny lesona ny sabata 15 Martsa.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal