Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11: "ΙΝΟΝΑ ΜΟΑ NO MBOLA ΑΖΟ ΝΑΤΑΟ (...), KA TSY EFA NATAOKO (...)"— Ilay Marina sy Mpanamarina.

Daty
Alatsinainy 10 March 2025

Mandrava ny asan'ny devoly mandrakariva ny asan'i Kristy. Araka ny voalaza ao amin'ny 1 Jao. 3:8: "Izao no nisehoan'ny Zanak’Andriamanitra, dia ny handrava ny asan'ny devoly, ary koa mba handringanany amin'ny fahafatesana ilay manana ny herin'ny fahafatesana, dia ny devoly."Heb. 2:14. Kanefa mandalo dingana anankiroa vao tena resy tanteraka ny fahavalo sy ny fanjakany. Voalohany, ny hazo fijaliana no nentin'i Kristy nampihanjahanja ny fitak'i Satana izay nanendrikendrehany an'Andriamanitra. Ary avy eo, horavana i Satana sy ny fanjakany any am-parany.

Vakio ny Rôm. 3:23-26 sy ny Rôm. 5:8. Inona no asehon'ireo andininy ireo mikasika ny fomba andresen'i Kristy ny fiampangana ataon'ny devoly?

Araka ny efa hitantsika dia ambaran'ilay fahavalo ho tsy tena marina sy be fitiavana Andriamanitra. Kanefa fanehoana faratampony ny fahamarinany sy ny fitiavany no omen'Andriamanitra ao amin'i Kristy, tamin'ny alalan'ny hazo fijaliana.

Taorian'ny fahafatesan'i Jesôsy dia "Hitan'i Satana fa afaka ny nanaronany ny fitaka nataony. Mivelatra mivandravandra eo anatrehan'ireo anjely tsy nanota sy eo anatrehan'izao rehetra izao any an-danitra ny fomba fitondrany. Tamin'ny nandatsahany ny ran'ny Zanak'Andriamanitra, dia nanongotra ny tenany tsy ho tian'ireo mponina any an-danitra intsony izy." - IFM, t. 821, ed. 1983.

Vakio ny Apôk . 12:10-12 sy ny Gen. 3:15. Ahoana no anehoan'ireo andininy ireo ny halehiben'ny fandresen'i Kristy teo amin'ny hazo fijaliana?

Manome porofo maro be antsika ny tantaran'ny fanavotana, hany ka mahazo matoky isika fa mikendry izay mahasoa ny rehetra mandrakariva ny asan Andriamanitra amin'ny farany. Izay tsara sy mety hatrany no ataon'llay Andriamanitra ao amin'ny Soratra Masina, araka izay hitany fa azo atao ao anatin'ilay fifanandrinana lehibe (Deo. 32:4; 1 Sam. 3:18; Sal. 145:17; Dan. 4:37; Hab. 1:13; Apôk. 15:3; Gen. 18:25).

Nahoana no zava-dehibe tokoa ny fanaporofoana ny maha-marina sy fitiavana an'Andriamanitra ao anatin'ilay fifanandrinana lehibe? Rehefa misaintsaina momba ny hazo fijaliana sy ny asan'Andriamanitra rehetra ao anatin'ny drafi-panavotana ianao, ahoana no anampian'izany anao hatoky ny fitiavan'Andriamanitra na dia ao anatin'ny fitsapana sy ny fahoriana aza?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (27)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal