Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11: "ΙΝΟΝΑ ΜΟΑ NO MBOLA ΑΖΟ ΝΑΤΑΟ (...), KA TSY EFA NATAOKO (...)"— ny hiran’ny malalako.

Daty
Talata 11 March 2025

Nasehon'Andriamanitra tamin'ny fomba mahagaga tao anatin'ilay fifanandrinana lehibe ny fitiavany sy ny fahamarinany. Saingy mety mbola hisy hanontany hoe: Sao mbola misy zavatra hafa tokony ho nataon'Andriamanitra mba hanakanana sy/na hanafoanana ny faharatsiana? Hitantsika araka ny endrika isehoan'ilay fifanandrinana lehibe fa hajain'Andriamanitra ny safidy malalaka, izay ilaina mba hahatsara indrindra ny fifandraisam-pitiavany amin'ny olombelona. Ankoatra izany dia manaraka fepetra sy fitsipika ara-pitondran-tena Izy ao anatin'ilay fifanandrinana mahakasika ny toetrany; tsy misy afa-tsy ny fanaporofoana ny fitiavany no ahafahany mandresy amin'ny ady.

Vakio ny Isa. 5:1-4. Iza no miteny ao amin'ireo andininy ireo? Miresaka momba an'iza i Isaia? Iza avy no asehon'llay tanimboaloboka sy ilay tompon'ny tanimboaloboka? Inona no maha-zava-dehibe ny asa nataon'ny tompony tamin'ilay tanimboaloboka? Inona no vokany?

Mihira ho an'ny malalany, sy ny tanimboaloboka iray, i Isaia ao amin'ireo andininy ireo. Andriamanitra no tompon'ny tanimboaloboka, ary maneho ny vahoakan'Andriamanitra ny tanimboaloboka (jereo ohatra ny Isa. 1:8, Jer. 2:21). Kanefa azo itarina ho mahafaoka ny asan'Andriamanitra lehibe eto amin'izao tontolo izao ny voambara eto. Araka ny voalazan'io andinin-tSoratra Masina io dia efa nanao izay rehetra azony natao ny tompon'ny tanimboaloboka (Andriamanitra) mba hamokaran'ilay tany voaloboka tsara. Tokony ho namoa voaloboka tsara tokoa ilay tanimboaloboka, kanjo namoa "voalobo-dratsy" izy, na "tsy misy vidiny" amin'ny dikan-teny hafa. Ny teny hebreo nilazana izany tokoa mantsy dia azo adika ara-bakiteny hoe: "voankazo maimbo". Namokatra voaloboka simba sy lo ilay tanimboalobok'Andriamanitra.

Andriamanitra mihitsy no mandray fitenenana ao amin'ny Isa. 5:3, manasa ny olona "hitsara" Azy sy ny tanim-boalobony. Mametraka fanontaniana manan-danja lehibe Izy ao amin'ny Isa. 5:4: "Inona moa no mbola azo natao tamin'ny tanimboaloboko, ka tsy efa nataoko taminy? Koa raha nanantena azy hamoa voaloboka tsara Aho, nahoana no namoa voalobo-dratsy izy?" Mahavariana tokoa fa manasa ny hafa mihitsy Andriamanitra mba hitsara izay nataony.

Rehefa mibanjina ny hazo fijaliana isika, izay nanoloran’Andriamanitra ny Tenany ho fanatitra noho ny fahotantsika rehetra, dia manjary misy heviny goavana ilay fanontaniana hoe: "Inona moa no mbola azo natao tamin'ny tanimboaloboko, ka tsy efa nataoko taminy?" - amin'ny fomba ahoana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -
Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (10)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal