Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11: "ΙΝΟΝΑ ΜΟΑ NO MBOLA ΑΖΟ ΝΑΤΑΟ (...), KA TSY EFA NATAOKO (...)"— voaporofo fa marina Andriamanitra.

Daty
Alakamisy 13 March 2025

Voaporofo amin'ny farany fa marina amin'ny lafiny rehetra Andriamanitra. Miharihary tsy misy aloky ny fisalasalana ny fahamarinana sy ny fitiavan Andriamanitra tonga lafatra noho ny asan'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina ao amin'ny drafi-panavotana (jereo ny Rôm. 3:25,26; Rôm. 5:8).

Vakio ny Rôm. 3:1-4 sy ny Isa. 5:3,4. Inona no ambaran'lzany momba ny fahamarinan' Andriamanitra ao anatin'llay fifanandrinana lehibe?

Azo lazaina hoe voary tsotra no asain'Andriamanitra mitsara ny toetrany ao amin'ny Rôm. 3 sy ny Isa. 5, na dia tsy manana zo na fahefana hanao izany aza isika. Amin'ny farany, rehefa hosokafana ny "boky" rehetra, dia ho hitantsika porofo fa tena marina sy mahitsy tokoa Andriamanitra. Haneho ny Tenany ho marina eo anatrehan'ny voary manan-tsaina rehetra Andriamanitra.

Vakio ny Apôk . 15:3 sy ny Apôk . 19:1-6. Inona no ampianarin'ireo andininy ireo momba ny fanamarinana an'Andriamanitra any am-parany?

Hita manerana ny Soratra Masina fa manan-danja amin'Andriamanitra ny anarany. Nahoana? Tsy afaka hanana fifandraisam-pitiavana lalina amin'ny olona iray isika raha halantsika ny toetrany na tsy azontsika itokiana izy. Raha misy olona milaza lainga mahatsiravina amin'ny vadinao na ny fofom-badinao momba ny toetranao, tsy hanao izay rehetra azonao atao ve ianao hanoherana izany lainga izany? Raha hinoany mantsy izany teny izany dia ho rava tanteraka ny fifankatiavanareo.

Hohamarinina Andriamanitra amin'ny farany, noho ny hazo fijaliana sy ny drafi-panavotana iray manontolo. Hamarinina eo anatrehan'izao tontolo rehetra izao manara-maso Ázy Izy ao anatin'ilay fitsarana famotopotorana mialoha ny fiavian'i Jesôsy fanindroany.

Avy eo, mandritra ny fitsarana aorian'ny fiavian'i Kristy, izay hitsaran'ny voavotra "anjely aza (1 Kôr. 6:2,3), dia hamarinina Andriamanitra, satria nomena fahafahana hijery ao amin'ny boky firaketana ny voavotra mba hahitany ny anton'ny nanaovan'Andriamanitra ny zavatra rehetra araka ny nataony. Ho hitan'izy ireo fa tamim-pitiavana sy fahamarinana tonga lafatra mandrakariva no nanaovan'Andriamanitra ny fitsarany rehetra. Iza amintsika no tsy manana fanontaniana maro be mila valiny? Mialoha ny faran'ny zavatra rehetra, dia ho voavaly ireo fanontaniana ireo (jereo ny 1 Kôr. 4:5).

Amin'ny anaran'i Jesôsy no handohalehan'ny lohalika rehetra amin'ny farany, ary heken'ny lela rehetra fa i Jesôsy Kristy no Tompo (Fil. 2:10,11). Anisan'ny fanaporofoana ny fahamarinan'ny toetran'Andriamanitra avokoa izany rehetra izany.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 19 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fitaovampiadiana mahery vaika indrindra.
Mon 20 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny soratra masina, fahefana.
Tue 21 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fahamarinana ara-baiboly.
Wed 22 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fitakian’ny Baiboly.
Thu 23 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny toe-po.
Fri 24 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal