Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11: NY RAY, NY ZANAKA, ARY NY FANAHY - Ny vavaka nataon’i Jesôsy

Daty
Alakamisy 12 December 2024

Antsoina hoe vavaka nataon'i Jesôsy amin'ny maha-mpisoronabe Azy ny Jao. 17 indraindray. Mamarana ny lahateny ataony ho fanaovam-beloma izany. Tonga teto amin'ity tany ity i Jesôsy mba hamerenana ny taranak'olombelona ho amin'ny fifandraisana nananany tamin’Andriamanitra tany am-piandohana. Tamim-pahatokiana no nanaovany ireo famantarana izay nomen'Andriamanitra Azy mba hataony. Tamin'ny teny sy tamin'ny asa no nampahafantarany an'Andriamanitra tamin'ny olona.

Efa hiala teto an-tany i Jesôsy tamin'izay. Niriny ny hizara indray ny Fitiavany amin'ireo mpianany. Niriny ny hahatakaran'izy ireo ny fifandraisana ety misy eo Amisy sy ny Ray ary ny Fanahy Masina. Ary niriny ny hitondra azy ireo ho eo amin'ny fifandraisana manokana amin'Andriamanitra Ray sy ny Fanahy Masina tahaka izay ananany koa.

Vakio ny Jao. 17:1-26, Inona ny teny na fehezanteny ao amin'io toko io, izay maneho ny fanirian'i Jesôsy hanana fifandraisam-pitiavana ety eo Aminy sy ny Ray ary ireo mpianany?

Maro no mamaky ny Jao. 17 ka mandray ny hevitr'izany ho toy izao: ny firaisana sy ny fitiavana no hany zava-manan-danja. Tsy isalasalana fa ny hamerina antsika indray ho amin'ny fifandraisana manokana Aminy sy amin'ny olona rehetra no fikasan'Andriamanitra. Kanefa raha mamaky amim-pifantohana bebe kokoa isika dia hahita fa misy fifandraisana iankinana aina bebe kokoa eo amin'ny fitiavana sy ny fahamarinana.

"Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina" - Jao. 17:3, fa tsy ilay Andriamanitra araka izay leritreretantsika Azy tsy akory. "Nasehoko tamin'ny olona izay nomenao Ahy avy tamin'izao tontolo izao ny anaranao; (...) ary notandremany ny teninao (...) ka fantany marina tokoa fa avy taminao Aho." Jao. 17:6,8. "Manamasina azy amin'ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana, Jao. 17:17.

Tonga mba hanambara ny Ray i Kristy. Manan-danja izany fanambarana izany noho ny amin'ireo fiheveran-diso maro mikasika an'Andriamanitra. Asehon'ny filazantsaran'i Jaona  ny fandraisan'i Jesôsy amim-pahamatorana ny iraka nampanaovina Azy. Nasehony araka tokony ho izy ny Tenin'Andriamanitra sy ny Asany. Raha toa tsy nanan-danja ny fahamarinana, nahoana moa i Jesôsy no nandany fotoana betsaka nitoriana izany sy nankatoavana an'Andriamanitra?

Fiainana feno zava-tsarotra no niainan'i Jesôsy; tamin'ny farany anefa dia nolavin'ireo manam-pahefana ara-pivavahana Izy. Niaretany ny tsy firaihan'ny olona, eny ny tsy firaihan'ireo mpianany mihitsy aza tamin'ny fotoana sasany. Namadika Azy ny anankiray tamin'ny mpianany, ny iray hafa indray nandà Azy intelo. Fizahan-toetra tsy nanam-pitsaharana no nandalovany, ary maty teo amin'ny hazo fijaliana teo am-pelatanan'ny olona Izy kanefa ny hamonjy azy ireo no nahatongavany.

Ahoana no hahafahanao maneho taratra bebe kokoany fitiavan'Andriamanitra eo amin'ny fiainanao, fitiavana tahaka izay misy eo amin'i Jesôsy sy ny Ray?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana
Sun 16 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Mitory ny fisanganan’i Kristy tamin’ny maty.
Mon 17 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - I Kristy nitsangana tamin’ny maty, Ilay hany fanantenantsika .
Tue 18 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Kristy no santatra.
Wed 19 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Ny vatana hatsangana amin’i maty.
Thu 20 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Horesena ny fahafatesana.
Fri 21 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fianarana fanampiny.
Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal