Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 20 June 2025

Vakio ny HM, "Fanafahana ny vahoakan' Andriamanitra", toko 40.

"Tamin'ny andro rehetra Andriamanitra dia nanampy sy nanafaka ny vahoakany tamin'ny alalan'ny anjely masina. Nandray anjara mivantana tamin'ny asa aman-draharahan'ny olombelona ireo mponina any an-danitra ireo. Nitafy fitafiana mamirapiratra tahaka ny helatra ny fahitana azy; naka endrik'olona koa, nitafy toy ny mpivahiny. Nisy anjely niseho tamin'ny endrik'olombelona tamin'ny olon'Andriamanitra. Niala sasatra izy, tahaka ny olona vizana, teo ambanin'ny hazo öka tamin'ny mitataovovonana. Nanaiky hiantrano tao amin'ny tokantranon'ny olona izy. Nanao ny asan'ny mpitari-dalana izy tamin'ny olona tratr'alina teny am-pandehanana. Ny tanan'izy ireny mihitsy no nandrehitra ny afo teo amin'ny alitara. Namoha ny varavaran'ny tranomaizina izy ka nanafaka ny mpanompon'i Jehovah. Nitafy ny fiadian'ny lanitra izy ka tonga nanakodia ny vato teo amin'ny fasan'ny Mpamonjy.

"Matetika ny anjely no maka ny endrik'olombelona manatrika ny fivorian'ny olo-marina; mitsidika koa ny fivorian'ny ratsy fanahy izy, tahaka ny nataony tany Sodoma, mba hanamarihany izay hitan'ny masony, hamantarany na efa nihoatra ny fatran'ny faharipon'Andriamanitra izy ireny. Mifaly amin'ny famindrampo i Jehovah, ary noho ireo olom-bitsy izay nanompo Azy marina, dia ferany ny loza ary ampaharetiny ny fiadanan'ny olona marobe. Tsy tsapan'ny mpanota manohitra an'Andriamanitra firy fa miankina amin'ireo olom-bitsy mahatoky izay mahafinaritra azy ny maneso azy sy mampahory azy ny fahavelomany. "-HM, tt. 657,658.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Vakio ny 2 Tim. 1:7. Ifanakalozy hevitra ny amin'ireo lafin-javatra ao amin'ny faminaniana izay nampitebiteby anao indrindra. Ahoana no hialantsika amin'ny tahotra ka hananantsika fanantenana ao amin'ny hafatr'Andriamanitra, na dia milaza fanenjehana noho ny finoana aza ny faminaniana?

2. Na sarotra ihany aza ny mino amin'izao ankehitriny izao fa mety hanodidina ny Sabata sy ny Alahady avokoa ireo toe-javatra hitranga amin'ny andro farany, dia diniho ny firimorimon'ny fiovan-javatra eto amin'izao tontolo izao. Inona no ampianarin'izany antsika? Nahoana no tsy tokony hanorina ny finoantsika amin'izay mitranga ankehitriny isika, izay mety hiova tampoka, fa amin'ny Tenin'Andriamanitra irery ihany?

3. Saino izay voalaza ao amin'ny Dan. 2 (sy ny Dan. 7 koa aza). Nifandimby araka izay nanambarana azy mialoha tokoa ireo fanjakana rehetra ao. Ankehitriny, rehefa mandinika ny tantara lasa isika, dia araka izay nanambarana azy mialoha koa no nataon'ireo. Raha ny vanim-potoana iainantsika no ijerena ny faminaniana, dia fanjakana iray sisa no mbola ho avy. Iza izany fanjakana izany? Ary nahoana no mahazo matoky isika fa ho tonga tokoa izany, araka ny nanambarana azy mialoha?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.
Sun 26 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ny fahalalana sy ny fitiavana.
Mon 27 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ftiavana tsy mitady ny azy.
Tue 28 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Mandray lesona avy amin’ny lasa.
Wed 29 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampitandremana momba ny fanompoantsampy.
Thu 30 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Afaka amin’ny fanompoan-tsampy.
Fri 31 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fianarana fanampiny.
Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.
Sun 19 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Finoana sy fampiharana tsy mifanaraka.
Mon 20 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miatrika ny toe-java-mamohehatra.
Tue 21 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miaro ny maha-izy ny fiangonana.
Wed 22 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanefitry ny fijangajangana.
Thu 23 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanambadiana sy ny fijanonana ho tokan-tena.
Fri 24 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.
Sun 02 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fanomezampahasoavana samy hafa.
Mon 03 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Firaisana ao anatin’ny fahasamihafana.
Tue 04 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Làlana tsara indrindra.
Wed 05 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa.
Thu 06 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny faminaniana.
Fri 07 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (74)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal