Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 19 September 2025

FIANARANA FANAMPINY

Vakio amim-pifantohana tsara "Ny fanompoan-tsampy tao Sinay", tt. 313-317 ao amin'ny PM (ed. 2014).

Indray andro, raha nanjombonjombona ny andro, dia nisy raim-pianakaviana nitsidika katedraly iray niaraka tamin'ny zanany lahy. Raha nijery ny takela-pitaratra misy sary teny amin'ny varavarankely izy ireo, izay nahitana sary kanto maneho toe-javatra samy hafa ao amin'ny Baiboly, dia nanomboka nitaratra teo amin'ny sarin'ireo olona teo amin'ny fitaratra ny tara-masoandro ka nampamirapiratra ireo olona ireo tamin'ny fahazavana manaitra. Nanontany an-drainy ilay zazalahy kely hoe: "Iza ireo olona ireo ry Dada?" Tsy dia nahalala zavatra betsaka momba ny fivavahana kristianina sy i Kristy na ireo mpianany ny rain'ilay zazalahy kely, nefa namaly azy haingana hoe: "Kristianina ireo, anaka." Nifantsika tao an-tsain'ilay zazalahy io sary namirapiratra io. Indray andro, dia nametraka fanontaniana toy izao ny mpampianatra ilay zazalahy kely tao am-pianarana: "Rankizy, fantatrareo ve ny atao hoe Kristianina?" Tsaroan'ilay zazalahy kely ilay sary namirapiratra tao amin'ilay katedraly ka namaly izy hoe: "Izaho mahafantatra; ny Kristianina dia olona mamirapiratra." Mifanindran-dalana amin'izany izay nolazain'i Jesôsy tamin'ireo mpanara-dia Azy: "Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra." - Mat. 5:16. Ny olona mamirapiratra ihany no afaka hitondra fiovana.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. "Raha manetry tena eo anatrehan'Andriamanitra isika, ary maneho halemem-panahy sy fanajana ary fahamoram-po sy fangorahana, dia hisy fo zato ho voaova eo amin'izay tsy misy afa-tsy iray ankehitriny." - TFC, b. 9, t. 189. Inona no hafatra mafonja ho antsika rehetra eto momba ny fiantraikan'ny toetrantsika sy ny asantsika ary ny fihetsitsika eo amin'ny fijoroantsika ho vavolombelona?

2. Antsoina hoe Jao. 3:16 an'ny Testamenta Taloha ny Eks. 34:6,7. Nahoana?

3. Raha misy manontany anao momba ny Andriamanitrao, ahoana no hanazavanao ny hakanton'ny toetran'Andriamanitra araka izay voalazan'ny fanambaran'Andriamanitra momba ny Tenany ao amin'ny Eks. 34:6,7?

4. Asao ny ao amin'ny kilasinao hifanakalo hevitra momba ny fiantraikan'ny toetra sy ny asan'ny olona mitonona ho Kristianina teo amin'ny fiainan'izy ireo. Izany hoe, inona ny hery miasa mangina avy amin'ireo olona tsara fanahy sy be fitiavana ary manetry tena sy mamela heloka teo amin'ny fanandramanao? Etsy ankilan'izany, nitondra inona teo amin'ny fiarahanao mandeha amin'Andriamanitra ny "Kristianina" ratsy fanahy sy tsy mamela heloka ary mpiavonavona?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal