Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 19 September 2025

FIANARANA FANAMPINY

Vakio amim-pifantohana tsara "Ny fanompoan-tsampy tao Sinay", tt. 313-317 ao amin'ny PM (ed. 2014).

Indray andro, raha nanjombonjombona ny andro, dia nisy raim-pianakaviana nitsidika katedraly iray niaraka tamin'ny zanany lahy. Raha nijery ny takela-pitaratra misy sary teny amin'ny varavarankely izy ireo, izay nahitana sary kanto maneho toe-javatra samy hafa ao amin'ny Baiboly, dia nanomboka nitaratra teo amin'ny sarin'ireo olona teo amin'ny fitaratra ny tara-masoandro ka nampamirapiratra ireo olona ireo tamin'ny fahazavana manaitra. Nanontany an-drainy ilay zazalahy kely hoe: "Iza ireo olona ireo ry Dada?" Tsy dia nahalala zavatra betsaka momba ny fivavahana kristianina sy i Kristy na ireo mpianany ny rain'ilay zazalahy kely, nefa namaly azy haingana hoe: "Kristianina ireo, anaka." Nifantsika tao an-tsain'ilay zazalahy io sary namirapiratra io. Indray andro, dia nametraka fanontaniana toy izao ny mpampianatra ilay zazalahy kely tao am-pianarana: "Rankizy, fantatrareo ve ny atao hoe Kristianina?" Tsaroan'ilay zazalahy kely ilay sary namirapiratra tao amin'ilay katedraly ka namaly izy hoe: "Izaho mahafantatra; ny Kristianina dia olona mamirapiratra." Mifanindran-dalana amin'izany izay nolazain'i Jesosy tamin'ireo mpanara-dia Azy: "Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra." - Mat. 5:16. Ny olona mamirapiratra ihany no afaka hitondra fiovana.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. "Raha manetry tena eo anatrehan'Andriamanitra isika, ary maneho halemem-panahy sy fanajana ary fahamoram-po sy fangorahana, dia hisy fo zato ho voaova eo amin'izay tsy misy afa-tsy iray ankehitriny." - TFC, b. 9, t. 189. Inona no hafatra mafonja ho antsika rehetra eto momba ny fiantraikan'ny toetrantsika sy ny asantsika ary ny fihetsitsika eo amin'ny fijoroantsika ho vavolombelona?

2. Antsoina hoe Jao. 3:16 an'ny Testamenta Taloha ny Eks. 34:6,7. Nahoana?

3. Raha misy manontany anao momba ny Andriamanitrao, ahoana no hanazavanao ny hakanton'ny toetran'Andriamanitra araka izay voalazan'ny fanambaran'Andriamanitra momba ny Tenany ao amin'ny Eks. 34:6,7?

4. Asao ny ao amin'ny kilasinao hifanakalo hevitra momba ny fiantraikan'ny toetra sy ny asan'ny olona mitonona ho Kristianina teo amin'ny fiainan'izy ireo. Izany hoe, inona ny hery miasa mangina avy amin'ireo olona tsara fanahy sy be fitiavana ary manetry tena sy mamela heloka teo amin'ny fanandramanao? Etsy ankilan'izany, nitondra inona teo amin'ny fiarahanao mandeha amin'Andriamanitra ny "Kristianina" ratsy fanahy sy tsy mamela heloka ary mpiavonavona?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fampidirana.
Sun 07 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Tsy fahaiza-mitondra.
Mon 08 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fanompoan-tsampy sy ny faharatsiana.
Tue 09 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Efa nanao ratsy ny olonao.
Wed 10 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fahatezeran’Andriamanitra ara-drariny.
Thu 11 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Vavaka fanelanelalana
Fri 12 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fianarana fanampiny’
Sat 13 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana
Sun 31 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Ny boky sy ny rà.
Mon 01 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Mahita an’Andriamanitra.
Tue 02 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Hery ho enti-mankatò.
Wed 03 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Eo anivon’ny vahoakany.
Thu 04 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Feno ny Fanahin’Andriamanitra.
Fri 05 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fianarana fanampiny
Sat 06 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Fampidirana.
Sun 14 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Ny trano-lay fihaonana.
Mon 15 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Mba hahalalako Anao.
Tue 16 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Mba ampahitao ny voninahitrao aho.
Wed 17 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Ny fanambaran’Andriamanitra momba ny tenany.
Thu 18 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Namirapiratra ny tavan’i Mosesy.
Fri 19 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal