NAMIRAPIRATRA NY TAVAN'I MOSESY
Vakio ny Eks. 34:29-35. Inona no nahatonga ny tavan'i Mosesy hamirapiratra?
Rehefa avy nampiseho ny toetrany be fitiavana tamin'i Mosesy Andriamanitra, dia nidina teny amin'ny tobin'ny Isiraely i Mosesy, ary namirapiratra ny tavany. Fantatr'i Mosesy ve tamin'ny voalohany fa namirapiratra ny tavany? Tsia, tsy fantany mihitsy. Arakaraka ny anakaikezan'ny olona iray an Andriamanitra no ahatsapany ny tsy fahatanterahany raha oharina amin'ny fahamasinan Andriamanitra.
Inona ny antony nampisy fiovana teo amin'i Mosesy izay nahatonga ny tavany hamirapiratra? Tsy noho ny fanatrehan'Andriamanitra ihany izany, satria imbetsaka talohan'izao izy no efa niaraka tamin'i Jehôvah nefa tsy namirapiratra ny tavany taorian'ireny fihaonana ireny. Tsy ho namirapiratra koa anefa ny tavany raha tsy teo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra izy. Rehefa takatr'i Mosesy ny fahatsaran'Andriamanitra sy ny halemem-panahiny, ary rehefa nampihanjahanja tanteraka ny maha-izy azy teo amin'Andriamanitra izy noho ny fahatsaran'ny toetran'Andriamanitra, izay vao voaova izy ary namirapiratra ny tavany. Afaka mandalo fiovana ny fontsika sy ny saintsika rehefa milefitra tanteraka amin'Andriamanitra isika ka mamela Azy ho Tompo sy Mpanjakan'ny fiainantsika.
Vakio ny 2 Kor. 3:18. Ahoana ny fomba hanovan'i Jesôsy anao tsikelikely ho amin'ny fanahafana ny endriny?
Ampitahain'i Paoly amin'i Jesosy Kristy ny tavan'i Mosesy namirapiratra; ambarany koa fa ny voninatr'i Jesosy (izay naneho teo amin'ny Tenany ny Lalan’Andriamanitra sy ny Fahasoavany) dia mihoatra lavitra noho ny voninahitry ny lalána nomena an'i Mosesy. Ny fibanjinantsika an'i Jesôsy (Heb. 3:1; Heb. 12:2) sy ny herin'ny Fanahin'Andriamanitra ihany (2 Kôr. 3:12-18) no hahatonga an'i Kristy sy ny Lalány ho voasokitra ao amin'ny toetrantsika.
Modely ho antsika i Mosesy, izay maneho ny zavatra azon Andriamanitra atao ho antsika rehefa avelantsika Izy hanova ny toetrantsika sy hamolavola antsika hanahaka ny endriny masina. Izany no tian'i Paoly hambara raha niresaka momba ny fandehanana "amin'ny flainam-baovao" izy (Rôm. 6:4).
Lafiny inona eo amin'ny fiainanao no tokony haneho taratra bebe kokoa ny toetran'Andriamanitra? Azo heverina fa ny lafiny rehetra; sa tsy izany? Manome fampaherezana anao sy toky ho amin'ny famonjena kosa ny fifantohana amin'ny hazo fijaliana sy ny hevitr'izany: amin'ny fomba ahoana?