Eo am-pisaintsaina momba ny hafatr'i Jesosy ho Vakio ny Kol. 4:16-18; ampitahao amin'ny Kol. 2:1-3. an'l (jereo lesona omaly), inona ny fifandraisana hitanao amin'ny hafatra ho an'ny Kolosianina, izay natao hovakina ao amin'ny fiangonan'i Laodikia tamin'ny andron'i Paoly koa?
Rehefa dinihina ny fiainan'ny vahoakan'Andriamanitra hatramin'izay ka hatramin'izao, dia mitovy hatrany ireo olana miverimberina. Nananatra ny Isiraely ireo mpaminany noho ny faniriany hivavaka araka ny fomban'izao tontolo izao ary nandrisika azy ireo hibebaka haingana andrao tratra aoriana loatra. Nisento mihitsy aza i Isaia, nanao hoe: "Indrisy! tonga janga ity tanana mahatoky" Isa. 1:21, ary nampirisika ny olona izy hiverina amin'Andriamanitra mba hahazoany famelan-keloka sy fanadiovana (Isa. 1:16-20). Samy niantso ny Isiraelita hibebaka i Jaona mpanao batisa (Mat. 3:2, 8-10) sy i Jesosy (Mat. 4:17; Mat. 12:33-37), ary hitondra voa izay hahajoro eo anatrehan'ny fitsarana amin'ny andro farany. Nitondra hafatra mitovy amin izany koa ireo apostoly (Asa. 2:38; Asa. 3:19; Asa. 17:30; 2 Kor. 7:9,10).
Ampitahao ireto andinin-tSoratra Masina manaraka ireto: ny Isa. 60:1-3 sy ny Apôk. 18:1-4, ary ny Isa. 62:1-5 sy ny Apok. 19:7,8. Inona no mampitovy ny hafatra entin'ireo boky roa ireo?
Hampiray ny lanitra sy ny tany Andriamanitra. Saingy noho ilay fifanandrinana lehibe (eo amin'ny tsara sy ny ratsy), dia tsy maintsy atao miandalana, manaraka dingana izany:
- Tao Kalvary, verin'i Satana hatreo ny fitiavana rehetra nananan'ny mponin'ny lanitra ho azy (Jao. 12:31).
- Amin'ny alalan'ny asa fitsarana ataon'i Kristy ao amin'ny fitoerana masina any an-danitra, dia «tanteraka (...) amin'ny asa tsara rehetra hanao ny sitrapony ny vahoakan'Andriamanitra (Heb. 13:21), ary voaomana ho any an-danitra.
- Amin'ny alalan'ny fitsarana mandritra ny arivo taona sy ny fitsarana farany aorian'ny arivo taona, dia voavaha mandrakizay ny olana rehetra nampametra-panontaniana, ary levonina mandrakizay ao amin'ny farihy afo, izay manadio ny tany koa, ny ota sy ny mpanota tsy nibebaka (Apôk . 21:8).
- Rehefa foana hatreo ny ota, izay ihany vao mety hiray ny lanitra sy ny tany amin'ny farany (Apok. 21:3).
Inona no azonao atao (tsy mijery olon-kafa) mba hitoeranao ho mahatoky amin'Andriamanitra sy amin'ny fahamarinana nomeny antsika? Izany hoe, inona avy ireo safidy ataonao izay manambara hoe iza marina no tompon'ny fonao?