Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.

Daty
Alahady 22 March 2026

Misy zavatra maro azo ianarana avy amin'i Paoly momba ny fitoriana ny filazantsara. Manodidina ny 21.564 kilaometatra ny halaviran'ny dia nataony. Mahavariana izany, satria nandehanany an-tongotra ny ampahany betsaka amin'izany, ary nisy ampaham-potoana koa naha tao an-tranomaizina azy.

Tany amin'ny foiben'ny tsena no nandanian'i Paoly fotoana betsaka, toy ny tany Korinto sy Efesosy, izay nielezan'ny hafatra ho any amin'ireo tanána anatiny. Niverina namangy ingy ireo fiangonana natsangany koa i Paoly mba hanamafy orina sy hampaherezana ireo mpino vaovao tao. Rehefa tsy afaka namangy mivantana ny fiangonana izy, dia nandefa taratasy ho azy. Tamin'izany fomba izany, dia fantatry ny mpino fa nahatsiaro sy nikarakara azy ireo izy.

Vakio ny Kol. 4:7-9; ampitahao amin'ny Efes. 6:21. Ahoana no anoritsoritany an'i Tykiko, ary inona no nolazain'i Paoly ho antony anirahana azy sy i Onesimosy ho any Kolosia?

Misy hafatra sasany tsara kokoa raha ampitaina am-bava noho ny an-tsoratra. Ho mahaliana ny nahafantatra ny vaovao rentin'ireo lehilahy roa ireo ho an'ny Kolosianina. Rehefa dinihina ny fikasan'i Paoly hampionona sy hampahery azy ireo (Kol. 4:7-9), dia azo inoana fa mirakitra sipiriany momba ny toe-javatra nisy an'i Paoly tany am-ponja izany. Zava-dehile mandrakariva koa ny fampitana hafatra amin'ny fomba toy izany, mba hihazonana ny fifandraisana manokana mampifamatotra ny mpino.

Miharihary fa iraka azo itokiana i Tykiko, izay midika hoe «tsara vintana>>> ny anarany. Voalaza hoe «mpanompo mahatoky>» sy «namako manompo» izy, ary isan'ireo roa lahy avy any Azia nofidin'i Paoy (Asa 20:4) hiaraka aminy mba hamory vola hiantrana ny mpino malahelo any Jerosalema. Niaraka tamin'i Paoly koa izy raha naiditra an-tranomaizina fanindroany tany Roma i Paoly, ary avy any no nanirahana azy ho any Efesosymba hampandroso ny asa any (2 Tim. 4:12). Nieritreritra ny haniraka azy ho ary amin'i Titosy, tany Kreta, koa i Paoly (Tit. 3:12). I Onesimosy no niaraka tamin, izay niova fo tany Roma noho ny asan'i Paoly (jereo ny lesona 1), sy nofaritan Paoly hoe «mahatoky.»

Toa tian'i Paoly ho fantatra koa hoe manao shoana ny mpino tany Kolosia. Rehefa i Tykiko mihitsy no mitondra valin-teny to azy avy any, dia tsy sarotra izany. Fomba iray hafa nanehoan'i Paoly ny fitiavany sy ny fiahiany ireo mpino tany izany, na día tsy namangy mivantana ny fiingonana aza ny tenany, ary fomba nanatanjahany ny finoan'izy ireo mba halafahany manao asa fitoriana amin'ny hafa.

Nahoana ireo zavatra manokana momba an'i Paoly voalaza ao amin'ny taratasiny no tsy vitan'ny mampiseho ny maha olombelona azy, fa manamafy koa ny maha azo itokiana ny asany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -
Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (48)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal