Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 21 June 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: Mat. 12:38-42; Jona 3:5-10; Apôk . 18:4; Dan. 5:1-31; Apôk. 16:12-19; 2 Tant. 36:22,23.

Tsianjery:

"Dia hoy izy tamin'ireo: Hebreo aho; ary Jehôvah , Andriamanitry ny lanitra, no ivavahako, dia Izay nanao ny ranomasina sy ny tany maina." - Jona 1:9

Ity herinandro ity no hijerentsika farany ireo tantara izay manampy antsika hahatakatra mazava tsara ny toe-javatra samihafa hiseho amin'ny andro farany. Hojerentsika amin'izany ny iraka nampanaovina an'i Jõna tany Ninive, ny faharavan'i Babilona, ary ny fiakaran'i Kyrosy mpanjaka persianina izay nanafaka ny vahoakan'Andriamanitra sy namela azy ireo hiverina tany amin'ny tany nampanantenaina.

Toy ireo hafa efa nodinihintsika, dia manana heviny lalina ho an'ny taranaka rehetra koa ireo tantara ireo. Ary manokana kokoa ny hevitr'izany ho an'ny taranaka amin'ny andro farany izay velona mialoha ny fiverenan'i Kristy. Izany hoe, azontsika atao ny misintona ampahan-kevitra samihafa avy amin'ireo tantara ireo, izay hanampy antsika hahatakatra bebe kokoa ny atao hoe "fahamarinana ankehitriny."

Etsy andanin'izany anefa, dia misy zavatra iray tokony hotsaroantsika mikasika ireo tantara rehetra ireo, izay toa manambara mialoha ireo toe-javatry ny andro farany: ny hijery amim-pitandremana ireo lohahevi-dehibe resahina sy ireo hevitra entina hampitana izany ka tsy hiezaka hamaofivaofy ny tsipiriany rehetra fandrao haneho fifanipahan-kevitra ao amin'ny faminaniana. Tahaka ny ao amin'ny fanoharana nataon'i Jesôsy no tokony hijerentsika koa ireo hevitra sy fitsipika manan-danja. Aoka isika tsy hitsikera ny tsipirian-javatra tsirairay noho ny fanantenana hahita fahamarinana miafina ao anatiny. Ny tokony hataontsika dia ny mijery ny firafitra sy ny fitsipika satria avy amin'izany no hahitantsika hevitra manan-danja ho an'ny andro farany.

*Famerenana ny lesona ny sabata 28 Juin.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.
Sun 26 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ny fahalalana sy ny fitiavana.
Mon 27 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ftiavana tsy mitady ny azy.
Tue 28 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Mandray lesona avy amin’ny lasa.
Wed 29 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampitandremana momba ny fanompoantsampy.
Thu 30 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Afaka amin’ny fanompoan-tsampy.
Fri 31 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fianarana fanampiny.
Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.
Sun 19 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Finoana sy fampiharana tsy mifanaraka.
Mon 20 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miatrika ny toe-java-mamohehatra.
Tue 21 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miaro ny maha-izy ny fiangonana.
Wed 22 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanefitry ny fijangajangana.
Thu 23 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanambadiana sy ny fijanonana ho tokan-tena.
Fri 24 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.
Sun 02 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fanomezampahasoavana samy hafa.
Mon 03 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Firaisana ao anatin’ny fahasamihafana.
Tue 04 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Làlana tsara indrindra.
Wed 05 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa.
Thu 06 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny faminaniana.
Fri 07 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (74)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal