Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13: MAHALALA AN'I JESÔSY SY NY TENINY - Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 27 December 2024

Samy hafa tanteraka amin'ny fomba fijerin'olombelona ny an'Andriamanitra. Amin'ny alalan'ny Baiboly izay Teniny izarany amintsika ny fomba fijeriny, eo ambany herin'ny Fanahy Masina. Anjarantsika ny mifidy raha irintsika ny handeha ao amin'ny maizina na handray ny fahazavana izay avy amin'i Jesôsy Kristy araka izay voambaran'ny Teny.

Ao anatin'izany safidy izany tanteraka ny fileferantsika amin'i Jesôsy Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra sady Mpanavotra ny taranak'olombelona. Amin'ny alalan'ny herin'ny Fanahy Masina no nanehoan’Andriamanitra Ray tamintsika, tao amin'ny fiainan'i Jesôsy sy ny fahafatesany ary ny fitsanganany tamin'ny maty, ny halalin'ny Fitiavany. Ary fantatsika ny amin'i Jesôsy satria voarakitra ao amin'ny Tenin'Andriamanitra ny momba ny fiainany sy ny fahafatesany ary ny fitsanganany tamin'ny maty.

"Mivezivezy mandrakariva avy eto an-tany ka mankany an-danitra, avy any an- danitra ka manketo an-tany ireo anjelin'Andriamanitra. Ny fahagagana nataon'i Kristy ho an'ny ory sy ny mijaly dia notanterahina tamin'ny herin'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny fanompoan'ny anjely. Ary amin'ny alalan'i Kristy, noho ny asa fanompoan'ny mpitondra hafatra avy any an-danitra, no ahatongavan'ny fitahiana rehetra avy amin'Andriamanitra ho antsika. Tamin'ny nandraisan'ny tenany ny maha-olombelona Azy, ny Mpamonjintsika dia nampiray ny tombontsoany tamin'ny an'ireo zanakalahy sy zanakavavin'i Adama lavo, lavo, ary amin'ny alalan'ny maha-Andriamanitra Azy dia mamikitra ny seza fiandrianan’ Andriamanitra Izy. Toy izany no mahatonga an'i Kristy ho Mpanalalana mampifandray ny olona amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra amin'ny olona." - IFM, t. 102, ed. 2023.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Amin'ireo tantara rehetra ao amin'ny filazantsaran'i Jaona, iza no maneho aminao indrindra ny fitiavan'Andriamanitra sy ny toetrany? Zarao ao amin'ny kilasy ny antony mahatonga izany tantara izany mandresy lahatra anao.

2. Raha lazaina amin'ny fiteny tsotra, ahoana no tokony hataon'ny olona izay mikatsaka ny fahamarinana?

3. Nahoana no sarotra, ankapobeny, ny manilika ny "izaho" mba tsy hitsara izay atao hoe marina? Azontsika atao amin'ny fahafenoany ve izany, sa misy fiantraikany eo amin'ny fomba fijerintsika ny Soratra Masina ihany, amin'ny lafiny sasany, ny mahaolona antsika? Nahoana isika no tokony hiaiky izany, ary ahoana no hanampian'ny fanetren-tena antsika mba hampilefitra amin'ny Tenin'Andriamanitra ny hevitra mibahana mialoha ao anatintsika?

4. Ny tantaran'ny fivavahana kristianina tany amin'ny firenena tandrefana dia nahitana ohatra mahatsiravina marobe momba ny zava-mitranga rehefa avela hanjakan'ny pôlitika sy ny hevitra mibahana mialohan'ny olombelona ny Tenin'Andriamanitra. Inona ny sasany amin'izany ohatra izany, ary inona ny lesona azontsika sintonina avy amin'ireny ankehitriny momba ny loza mety hiseho rehefa tonga masontsivana omen-danja indrindra mba "hanazavana" ny Baiboly ny fomba fijerin'olombelona?

5. Fintino amin'ny fiteninao manokana ny hevi-dehibe avohitry ny filazantsaran'i Jaona. Inona no hafatra manan-danja entin'izany ho antsika amin'izao andro izao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal