Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13: MAHALALA AN'I JESÔSY SY NY TENINY - Fihaonana tany Galilia.

Daty
Alahady 22 December 2024

Vakio ny Jao. 21:1-19. Inona no fahamarinana manan-danja ambara eto, indrindra momba ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanetren-tenan'ny olombelona?

Ny tanjon'ilay filazantsara no mamarana ny Jao. 20, raha ny lôjika dia ao no hamaranana izany saingy mbola misy toko iray fanampiny. Miantomboka amin'ny fiverenan'ny mpianatra sasany tany Galilia ny toko faha-21, ary nanoso-kevitra ny handaniana alina iray teo amin'ny farihy i Petera. Toy ny hoe niverina ny andro fahiny, ary niverina tamin'ny asa fanaony ireo mpianatra, dia ny fanaratoana izany. Tsy nahazo na inona na inona anefa izy ireo tamin'io alina io.

Nony maraina, dia nisy olon-tsy fantatra iray teo amoron-drano nilaza tamin'izy ireo mba handatsaka ny haratony any ankavanan'ny sambokely. Rehefa izay dia nahazo trondro betsaka izy ireo ka tsy voasariny mihitsy aza ny harato. Tahaka ny tamin'ny niandohan'ny asa fanompoan'izy ireo niaraka tamin'i Jesôsy izany (jereo ny Lio. 5:1-11). Nahafantatra an'i Jesôsy avy hatrany i Jaona ka nilaza tamin'i Petera, izay nitsambikina hankao anaty rano ary nilomano nankeny amoron-drano.

Nametraka fanontaniana telo tamin'i Petera i Jesôsy. Mahakasika ny fitiavana ny Tompony avokoa izany. Talohan'ny nanomboana an'i Jesôsy tamin'ny hazo fijaliana dia nitompo teny mafy i Petera fa hahafoy ny ainy ho an'i Jesôsy mihitsy izy (Jao. 13:37). Tamin'izay no nilazan'i Jesôsy mialoha fa handà Azy intelo izy  (Jao. 13:38). Tsy ny tenany no nasongadin'i Petera tamin'ity fihaonana tany Galilia ity fa i Jesôsy: "Tompoko, Hianao mahalala ny zavatra rehetra; fantatrao fa tia Anao aho" - Jao. 21:17.

Misy olona sasany milaza fa ny matoanteny hoe agapaō, izay midika hoe "tia", no nampiasain'i Jesôsy raha nanontany an'i Petera (afa-tsy tamin'ny fanontaniana farany), ary i Petera kosa dia namaly mandrakariva tamin'ny matoanteny phileō, izay midika hoe "tia" saingy maneho fitiava-namana fotsiny izany. Izao no tian'izany hambara: tsy nahatanteraka ilay karazam-pitiavana ambony kokoa i Petera.

Raha ny marina anefa, ny valin-tenin'i Petera dia nifantoka tamin'ny fanetren-tena. Tao an-tsainy mandrakariva ny tsy fahombiazany ka izany no nampiasany tamim-panetren-tena ny fiteny somary "malefaka" kokoa satria tsy sahy nilaza zavatra betsaka momba ny tenany izy. Tsapan'i Jesôsy izany fanetren-tena izany, ary tonga zava-dehibe teo amin'ny famerenana an'i Petera ho amin'ny asa fanompoana indray izany. Tsy isalasalana fa anankiray amin'ny toetra tsara indrindra hoenti-manompo ny fanetren-tena, satria i Jesôsy Kristy no manjary ifantohana fa tsy ny tena.

Ny famerenana an'i Petera amin'ny laoniny sy ny anjara asany amin'ny maha-mpitarika azy tao amin'ny fiangonana voalohany no porofo goavana indrindra fa nitsangana tamin'ny maty i Jesôsy. Ho sarotra tokoa ny hanazava ny toerana manan-danja notanan'i Petera raha toa i Jesôsy tsy namerina azy indray ho amin'ny asa fanompoana teo imason'ireo mpianatra hafa.

Nahoana ny fanetren-tena no manan-danja tokoa ho an'izay rehetra maniry ny hahalala ny Tompo? Eo anatrehan'ny hazo fijaliana, inona moa no ananantsika ka azontsika hireharehana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.
Sun 05 Jul 2026
Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.
Mon 06 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fahadalana amin’izay ho very.
Tue 07 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Hery ho an’ireo izay hovonjena.
Wed 08 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Mesia voahombo.
Thu 09 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Kristy, hery sy fahendren’Andriamanitra.
Fri 10 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.
Sun 19 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Finoana sy fampiharana tsy mifanaraka.
Mon 20 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miatrika ny toe-java-mamohehatra.
Tue 21 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA -
Wed 22 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA -
Thu 23 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA -
Fri 24 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal