Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13: NY FITIAVANA NO FAHATANTERAHANA NY LALANA - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 22 March 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: Eks. 20:1-17; Rôm. 6:1-3; Rôm. 7:7-12; Jer. 31:31-34; Mat. 23:23,24; Jak. 2:1-9.

Tsianjery:

"Aza avela hisy tsy voaloa na amin'iza na amin'iza, afa-tsy ny fifankatiavanareo ihany; fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna." - Rôm. 13:8.

Teo am-pandinihana ny momba ny olona iray manana olana ao am-piangonana, dia hoy ny mambran'ny kômity iray tamin'ny pasitora: "Tsy azontsika aorina amin'ny fangorahantsika azy ny fanapahan-kevitsika." Tsy azontsika atao tokoa ve? Nanontany tena ilay pasitora ny amin'izay mety ho fahatakaran'ilay olona ny momba an'Andriamanitra sy ny lalàny. Tsy isalasalana fa tokony ho ivon'ny fifandraisantsika amin'ny hafa ny fangorahana, indrindra amin'ireo nanao fahadisoana. Ao anatin'ny atao hoe fitiavana mihitsy aza ny fangorahana, araka ny voalaza ao amin'ny Rôm. 13:8 hoe: "izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalana."

Raha fahatanterahana ny lalàna tokoa ny fitiavana, dia tokony hitandrina isika tsy hihevitra ny lalána ho azo sarahina amin'ny fitiavana, na ny fitiavana ho azo sarahina amin'ny lalana. Miara-dalana ny fitiavana sy ny lalàna ao amin'ny Soratra Masina. Ilay mpanao ny lalàna mihitsy no fitiavana, koa ny lalàn’Andriamanitra izany dia lalàm-pitiavana. Fanehoana ny toetran'Andriamanitra izany, hoy i Ellen G. White (HF, t. 265).

Tsy fitambarana fitsipika tsy misy heviny ny lalàn'Andriamanitra fa didy sy toromarika natao hahasoa antsika. Anisan'ny fanehoan'Andriamanitra ny fitiavany mihitsy ny lalàny.

*Famerenana ny lesona ny sabata 29 Martsa.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Ny vokatry ny fanompoana tena izy.
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fahoriana sy voninahitra.
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -Fanompoam-pivavahana mifantoka amin’i Kristy.
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Antso ho amin’ny fahamasinana.
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fiononana sy alahelo.
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fianarana fanampiny.
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (21)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal