Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13: NY FITIAVANA NO FAHATANTERAHANA NY LALANA - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 22 March 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: Eks. 20:1-17; Rôm. 6:1-3; Rôm. 7:7-12; Jer. 31:31-34; Mat. 23:23,24; Jak. 2:1-9.

Tsianjery:

"Aza avela hisy tsy voaloa na amin'iza na amin'iza, afa-tsy ny fifankatiavanareo ihany; fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna." - Rôm. 13:8.

Teo am-pandinihana ny momba ny olona iray manana olana ao am-piangonana, dia hoy ny mambran'ny kômity iray tamin'ny pasitora: "Tsy azontsika aorina amin'ny fangorahantsika azy ny fanapahan-kevitsika." Tsy azontsika atao tokoa ve? Nanontany tena ilay pasitora ny amin'izay mety ho fahatakaran'ilay olona ny momba an'Andriamanitra sy ny lalàny. Tsy isalasalana fa tokony ho ivon'ny fifandraisantsika amin'ny hafa ny fangorahana, indrindra amin'ireo nanao fahadisoana. Ao anatin'ny atao hoe fitiavana mihitsy aza ny fangorahana, araka ny voalaza ao amin'ny Rôm. 13:8 hoe: "izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalana."

Raha fahatanterahana ny lalàna tokoa ny fitiavana, dia tokony hitandrina isika tsy hihevitra ny lalána ho azo sarahina amin'ny fitiavana, na ny fitiavana ho azo sarahina amin'ny lalana. Miara-dalana ny fitiavana sy ny lalàna ao amin'ny Soratra Masina. Ilay mpanao ny lalàna mihitsy no fitiavana, koa ny lalàn’Andriamanitra izany dia lalàm-pitiavana. Fanehoana ny toetran'Andriamanitra izany, hoy i Ellen G. White (HF, t. 265).

Tsy fitambarana fitsipika tsy misy heviny ny lalàn'Andriamanitra fa didy sy toromarika natao hahasoa antsika. Anisan'ny fanehoan'Andriamanitra ny fitiavany mihitsy ny lalàny.

*Famerenana ny lesona ny sabata 29 Martsa.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 15 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fampidirana.
Sun 16 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fahatokiana.
Mon 17 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Omeo ahy iry tendrombohitra iry.
Tue 18 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ny herin’ny ohatra aseho
Wed 19 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ilay mahery fo manetry tena
Thu 20 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Voaova noho ny fibanjinana
Fri 21 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 08 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fampidirana
Sun 09 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Ny fanekena aloha.
Mon 10 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Ny Paska.
Tue 11 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Alintaram-panavaozana
Wed 12 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Nosoratana teo amin’ny vato.
Wed 12 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Nosoratana teo amin’ny vato.
Thu 13 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Maniry fatratra ny fanatrehan’Andriamanitra.
Fri 14 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (45)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal