Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.

Daty
Alakamisy 09 October 2025

FAHASOAVANA TSY AMPOIZINA

Vakio ny Jos. 9:21-27. Sady misy fahamarinana no misy fahasoavana ny vahaolana nomen'i Josoa; amin'ny fomba ahoana?

Na dia naniry hamely ny Gibeonita aza ny vahoaka Isiraely, dia tsy navela hanao izany izy noho ny fianianana nataon'ireo lohan'ny fiangonana. Nifanaraka tamin'ny fitsipika mifandraika amin'ny fianianana na voady ny fihetsik'ireo mpitarika isiraelita, ka raha tsy avy amin'ny fitondran-tena ratsy na fikasan-dratsy no anaovana azy (Mpits. 11:29-40), dia tsy maintsy toavina izany, na dia mahatonga fahoriana amin'ilay olona manokana aza. Ao amin'ny TT dia noraisina ho fahendrena ananan'ny olo-masina ny fahamalinana sy ny fitandremana mialoha ny anaovana fianianana na voady, ary koa ny fanefana ny fianianana natao, (Sal. 15:4; Sal. 24:4; Mpitt. 5:1,5). Satria natao tamin'ny anaran'i Jehôvah , Andriamanitry ny Isiraely ilay fianianana dia tsy azon'ireo mpitarika novana izany.

Noho ilay fianianana masina nataon'ireo mpitarika ny Isiraely, dia nifamatotra tsy azo nosarahina tamin'ny an'ireo Gibeonita ny anjaran'ny Isiraely. Raha ny marina, tamin'ny nanendrena azy ireo ho mpikapa hazo sy mpantsaka rano ho an'ny tranon'Andriamanitra (Jos. 9:23), dia tonga anisan'ny fiarahamonin'ny Isiraely mpivavaka ny Gibeonita. Ny valintenin'i Josoa, izay samy hafa amin'ny an'ireo loholon'ny Isiraely izay nandidy ny fanandevozana azy ireo ho an'ny "fiangonana rehetra" (Jos. 9:21), dia nanova ny ozona ho fitahiana mety ho azon'ireo Gibeonita (ampitahao amin'ny 2 Sam. 6:11).

Hita teo amin'ny tantaran'i Gibeona taorian'izany fa nisitraka ireo tombontsoa lehibe ara-pivavahana ilay tanana, ary tsy nivadika tamin'ny vahoakan'Andriamanitra. Nitoetra teo amin'ny taranaka nifandimby ilay voady nataon'ny Isiraely, hany ka rehefa niverina avy tany amin'ny fahababoana tany Babylona ny Isiraelita, dia anisan'ireo nanampy tamin'ny fanorenana an'i Jerosalema indray ny Gibeonita (Neh. 7:25). Hitera-boka-tsoa mandrakizay ny nataon'izy ireo, kanefa noho ny fahasoavan'Andriamanitra irery ihany izany.

Inona no mety ho nitranga raha tsy nanafina ny momba azy ny Gibeonita ka nangataka famindram-po tahaka an-dRahaba? Tsy fantatsika, saingy inoantsika fa raha nanontaniana fotsiny ny sitrapon'Andriamanitra dia mety ho nahafaka ny Gibeonita tamin'ny fandringanana izany. Tsy ny hanasazy ny mpanota no tena fikasan Andriamanitra fa ny hahita azy ireo mibebaka sy ny haneho ny famindrampony amin'izy ireo (ampitahao amin'ny Ezek. 18:23 sy ny Ezek. 33:11). Ny tetika nataon'ny Gibeonita dia tokony horaisina toy ny fiantsoana ny famindrampon'Andriamanitra, fianteherana amin'ny toetrany feno hatsaram-panahy sy fahamarinana. Ny fandavan'ireo Kananita tsy hibebaka sy ny fanoherany ny fikasan'Andriamanitra no nahatonga ny fanapahan-kevitra ny amin'ny fandringanana azy ireo (Gen. 15:16). Nankasitrahan'Andriamanitra ny faneken ireo Gibeonita ny fiandrianan'Andriamanitra, ary koa ny faniriany fihavanana fa tsy fikomiana, ary ny fahavononany hiala amin'ny fanompoan-tsampy sy hivavaka amin'ilay hany Andriamanitra marina.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal