Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2 : FITIAVANA MIORINA AMIN’NY FANEKENA - Fitiavan’Andriamanitra miorina amin’ny fanekena .

Daty
Alatsinainy 06 January 2025

Matetika ny Baiboly no maneho fifamatoram-pitiavana manokana ifandraisan' Andriamanitra amintsika amin'ny fampiasana fanoharana momba ny mpianakavy na ny mpianaka. Ampiasainy manokana ny fanoharana momba ny fitiavan'ny mpivady na ny fitiavan'ny reny mendrika ny zanany. Ampiasaina ireny fanoharana ireny mba hanehoana ny fifandraisana manokana eo amin'Andriamanitra sy ny vahoaka izay nanaovany fanekena. Fifandraisana miorina amin'ny fitiavana araka ny fanekena izany, tsy ny fitiavan'Andriamanitra ny vahoakany irery no hita ao fa ny fanantenany koa fa handray io Fitiavana io ny vahoakany ary ho tia Azy (sy ho tia ny hafa) ho setrin'izany.

Vakio ny Deo. 7:6-9. Inona no ampianarin'ireo toko sy andininy ireo mikasika ny fifandraisan'ny fanaovan’Andriamanitra fanekena sy ny famindrampony?

Manoritsoritra karazam-pitiavana iray manokana izay itiavan'Andriamanitra ny vahoaka nanaovany fanekena ny fifandraisana izay miankina amin'ny fitoeran'izy ireo ho mahatoky na tsia izany. Tsy misy fepetra ny fitiavan'Andriamanitra fa misy fepetra kosa ny fifandraisany amin'ny vahoakany araka ny fanekena.

Ny teny izay nadika hoe "famindrampo" ao amin'ny Deo. 7:9, hesed, mihitsy no mampiseho ny fanekena ao amin'ny fitiavan'Andriamanitra (ary mihoatra noho izany aza). Matetika ny teny hoe hesed no ampiasaina mba hilazalazana ny fahalehibeazan'ny famindrampon’ Andriamanitra sy ny fahatsarany ary ny fitiavany. Ankoatra izany, ny hesed dia manondro ny famindrampo na ny fitiavana mafy orina izay itiavana ny ankilany ao anatin'ny fifandraisana iray isian'ny fitia mífamaly. Manorina fifandraisana tahaka izany koa io fitiavana io, ary manantena ny ankilany mba hanisy setriny izany.

Ny hesed an'Andriamanitra dia maneho fa azo itokiana sy mafy orina ary mandrakizay ny famindrampony. Etsy andanin'izany anefa, dia misy fepetra ny fandraisana ireo tombontsoan'ny hesed; miankina amin'ny fetezan'ny olona hankato sy hanaja ny teny nomeny ao anatin'ilay fifandraisana izany (jereo ny 2 Sam. 22:26; 1 Mpanj. 8:23; Sal. 25:10; Sal. 32:10; 2 Tant. 6:14).

Ny fitiavan'Andriamanitra mafy orina no fototry ny fifamatoram-pitiavana rehetra, ary tsy manam-paharoa izany fitiavana izany. Tsy ny fiainana fotsiny no nomen'Andriamanitra antsika maimaimpoana, fa natolony antsika maimaimpoana ao amin'i Kristy koa ny Tenany. "Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany. Jao. 15:13. Tsy isalasalana fa ny fanehoana lehibe indrindra ny fitiavan'Andriamanitra dia natao rehefa "nanetry tena [ny Tompo] ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana," - Fil. 2:8.

Inona avy ireo fomba ahafahanao mandrakitra ao an-tsaina mandrakariva ny maha-zava-misy marina ny fitiavan'Andriamanitra? Nahoana no zava-dehibe ny fanaovana izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny
Sat 08 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 15 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (39)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal