Hodinihana mandritra ny herinandro: 1 Kôr. 1:17-31; Kôr. 1:20; 1 Pet. 2:24; Asa. 13:16-47; 1 Kôr. 2:1-5.
Tsianjery "Fa ny teny ny amin'ny hazo fijaliana dia fahadalana amin'izay ho very, fa herin'Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena."- 1 Kôr. 1:18
- 110 5:24
I Cicaron, mpanoratra sy mpandahateny romanina jentilisa, dia nilaza tamin'ny vahoaka romanina mba tsy hisaina na dia kely akory aza momba ny hazo fijaliana izay fitaovana famaizana. Na dia maty tokony ho antsasaky ny taonjato talohan'ny nahaterahan'i Jesosy aza i Ciceron, dia hits taratra teo amin'ny fanambarany fa zava-maharikoriko ny Romanina ny hazo fijaliana. Zava-dratsy sy mahamenatra loatra izany ho azy ireo ka tsy tokony hoeritreretina akory.
Mifanohitra amin'izany kosa anefa no nosoratan'i Paoly: "ny teny ny amin'ny hazo fijaliana" dia "herin'Andriamanitra"- 1 Mo. 1:18. Ho azy, dia fitaovana izay mampihavana an'Andriamanitra amin'ny olona ny hazo fijaliana (Efes. 2:16; KoI. 1:20), ary koa fanehoana fara tampony ny fanetren-tenan'i Kristy (Fil. 2:8) sy toerana izay nanefana ny trosantsika lehibe (Kol. 2:14).
Ny hazo fijaliana no valinteny omen'i Paoly manoloana ireo olan'ny fiangonana tany Korinto. Tsy mils mamaky lavitra ny 1 Korintianina akory isika vao hahatsapa fa nisy olana iray goavana nampanahy mafy azy: ny fisaratsarahana tao amin'ny fiangonana. Very hevitra tokoa i Paoly ka vantany vao vitany ny fiarahabana (1 Kôr. 1:1-3) sy ny fizarana misy teny fisaorana (1 Kôr. f1:4-9), dia izany no lohahevitra resahiny voalohany indrindra (1 Kôr. 1:10-17).
Amin'ity herinandro ity isika dia hijery ny teny na hafatra mafonja momba ny hazo fijaliana izay vahaolana manoloana izany olana izany sy ireo olana hafa tany Korinto.