Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.

Daty
Alahady 05 July 2026

Ambaran'i Paoly fa ny hafatra ny amin'ny hazo fijaliana no herin'Andriamanitra ho antsika. Tsy mahagaga raha toa "Jesôsy Kristy, indrindra fa Izy voahombo tamin'ny hazo fijaliana" no ivon'ny toriteniny (1 Kôr. 2:2).

Vakio ny 1 Kôr.1:17-31. Inona ny hevitra manan-danja ambaran'i Paoly eto?

Miresaka momba ny fifanoherana misy eo amin'ny fahadalan'ny olombelona sy ny fahendren'Andriamanitra i Paoly ao amin'ny 1 Kôr. 1 :18-31. Manan-kery haneho izay ratsy indrindra ao amin'ny olona sy izay tsara indrindra ao amin'Andriamanitra ny hazo fijaliana. Ny fanambarana ao amin'ny 1 Kôr. 1:17 no mampiditra izany fizarana ao amin'ny 1 Kôr izany. Koa satria tsy natao ho foana ny fahefan'ny hazo fijalian'i Kristy (1 Kôr. 1:17), dia izany (ny hazo fijaliana) no tsy maintsy ho ivon'ny fitoriantsika (jereo koa ny 1 Kôr. 2:2).

Ambaran'i Paoly fa tsy nirahina hanao batisa izy fa mba hitory ny filazantsaran'ny hazo fijaliana. Mitaky famakafakana roa izany fanambarana izany. Voalohany, ny matoanteny grika izay nadika hoe "maniraka" dia apostello, fototeny iray ihany no niavian'izany sy ny teny hoe apôstôly. Araka izany, ny asa maha-apostoly an'i Paoly dia ny fitoriana ny filazantsara. Faharoa, ny tenin'i Paoly momba ny batisa dia tsy midika fa tsy zava-dehibe ny batisa, na hoe latsaka ambany noho ny fitoriana ny lanjany. Tsy izany, fa nananatra ireo izay nanindrahindra ny olona nanao batisa azy mihoatra noho i Kristy izay nanaovana batisa azy ireo izy.

Ny filazan'i Paoly hoe "tsy tamin'ny teny fahendrena"- 1 Kôr. 1:17, dia tsy midika fa ratsy ny lahateny mipetrapetraka sy mampihetsi-po. Tsy izany fa izao no tena tiany hambara: tsy tokony hanakona ny hafatra momba ny hazo fijaliana ny fahendren'olombelona. Manondro ny hailahateny grika-romanina ireo teny ireo. Tany Atena mantsy dia nampiasa ny fahaiza-mandamin-kevitra (lojika) sy ny siansa ary ny filozofia i Paoly, saingy zara raha nitera-bokatra izany. Noho izany, dia "nanapa-kevitra ny hanaraka drafitra hafa izy amin'ny asany any Korinto eo amin'ny ezaka ataony hitazonana ny sain'ny tsy miraharaha sy ny tsy miraika. Tapa-kevitra hanafoana ny fonjan-kevitra sy ny adihevitra izy ary hahalala zavatra hafa' teo amin'ny Korintiana 'afa-tsy Jesôsy Kristy, indrindra Izy voahombo amin'ny hazo fijaliana.'"-VM, t. 214.

Amin'ny fomba ahoana no mety hanakonan'ny lahateny mipetrapetraka sy kanto ny hafatry ny hazo fijaliana? Nahoana ny fitoriana Jesôsy Kristy sy Izy voahombo tamin'ny hazo fijaliana no nitera-bokatra bebe kokoa tany Korinto noho ny fahaiza-mandamin-kevitra sy ny slansa ary ny filozofia tany Atena? Kanefa, mety misy fotoana ve liana ny lojika sy ny filozofla ary ny slansa eo amin'ny fitoriana ny filazantsara? 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal