Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.

Daty
Alahady 05 July 2026

Ambaran'i Paoly fa ny hafatra ny amin'ny hazo fijaliana no herin'Andriamanitra ho antsika. Tsy mahagaga raha toa "Jesôsy Kristy, indrindra fa Izy voahombo tamin'ny hazo fijaliana" no ivon'ny toriteniny (1 Kôr. 2:2).

Vakio ny 1 Kôr.1:17-31. Inona ny hevitra manan-danja ambaran'i Paoly eto?

Miresaka momba ny fifanoherana misy eo amin'ny fahadalan'ny olombelona sy ny fahendren'Andriamanitra i Paoly ao amin'ny 1 Kôr. 1 :18-31. Manan-kery haneho izay ratsy indrindra ao amin'ny olona sy izay tsara indrindra ao amin'Andriamanitra ny hazo fijaliana. Ny fanambarana ao amin'ny 1 Kôr. 1:17 no mampiditra izany fizarana ao amin'ny 1 Kôr izany. Koa satria tsy natao ho foana ny fahefan'ny hazo fijalian'i Kristy (1 Kôr. 1:17), dia izany (ny hazo fijaliana) no tsy maintsy ho ivon'ny fitoriantsika (jereo koa ny 1 Kôr. 2:2).

Ambaran'i Paoly fa tsy nirahina hanao batisa izy fa mba hitory ny filazantsaran'ny hazo fijaliana. Mitaky famakafakana roa izany fanambarana izany. Voalohany, ny matoanteny grika izay nadika hoe "maniraka" dia apostello, fototeny iray ihany no niavian'izany sy ny teny hoe apôstôly. Araka izany, ny asa maha-apostoly an'i Paoly dia ny fitoriana ny filazantsara. Faharoa, ny tenin'i Paoly momba ny batisa dia tsy midika fa tsy zava-dehibe ny batisa, na hoe latsaka ambany noho ny fitoriana ny lanjany. Tsy izany, fa nananatra ireo izay nanindrahindra ny olona nanao batisa azy mihoatra noho i Kristy izay nanaovana batisa azy ireo izy.

Ny filazan'i Paoly hoe "tsy tamin'ny teny fahendrena"- 1 Kôr. 1:17, dia tsy midika fa ratsy ny lahateny mipetrapetraka sy mampihetsi-po. Tsy izany fa izao no tena tiany hambara: tsy tokony hanakona ny hafatra momba ny hazo fijaliana ny fahendren'olombelona. Manondro ny hailahateny grika-romanina ireo teny ireo. Tany Atena mantsy dia nampiasa ny fahaiza-mandamin-kevitra (lojika) sy ny siansa ary ny filozofia i Paoly, saingy zara raha nitera-bokatra izany. Noho izany, dia "nanapa-kevitra ny hanaraka drafitra hafa izy amin'ny asany any Korinto eo amin'ny ezaka ataony hitazonana ny sain'ny tsy miraharaha sy ny tsy miraika. Tapa-kevitra hanafoana ny fonjan-kevitra sy ny adihevitra izy ary hahalala zavatra hafa' teo amin'ny Korintiana 'afa-tsy Jesôsy Kristy, indrindra Izy voahombo amin'ny hazo fijaliana.'"-VM, t. 214.

Amin'ny fomba ahoana no mety hanakonan'ny lahateny mipetrapetraka sy kanto ny hafatry ny hazo fijaliana? Nahoana ny fitoriana Jesôsy Kristy sy Izy voahombo tamin'ny hazo fijaliana no nitera-bokatra bebe kokoa tany Korinto noho ny fahaiza-mandamin-kevitra sy ny slansa ary ny filozofia tany Atena? Kanefa, mety misy fotoana ve liana ny lojika sy ny filozofla ary ny slansa eo amin'ny fitoriana ny filazantsara? 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal