Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: NY AO AMBADIKY NY TANTARA - Mandray na tsy mandray ny Teny

Daty
Talata 15 October 2024

Vakio ny Jao. 1:9-13. Inona ny zava-misy ambaran'i Jaona amin'ny fomba henjana eto, mahakasika ny fihetsiky ny olona manoloana an'i Jesôsy ?

Tsy ny mombamomba an'i Jesôsy fotsiny, ilay Teny (logos), no lazalazain'ny sasinteny ao amin'ny Jao. 1:1-18 fa resahiny koa ny fihetsiky ny olona eto amin'izao tontolo izao manoloana Azy. Ny "tena Mazava" no iantsoana Azy ao amin'ny Jao. 1:9, dia Ilay manazava ny olona rehetra tonga eto an-tany. Manazava an'izao tontolo izao io Fahazavana io mba hahatakaran'ny olona ny Teny. lzao no nambaran'i C. S. Lewis: "Tahaka ny finoako ny fiposaky ny masoandro no inoako ny fivavahana kristianina, tsy noho ny fahitako izany fotsiny fa noho ny fahitako ny zavatra hafa rehetra noho ny aminy." "Is Theology Poetry?" (n. p.: Samizdat University Press, 2014), t. 15, originally presented 1944.

Jereo ny tian'ny Jao. 1:9 hambara. Tonga amin'ny olon-drehetra ny fahazavana kanefa tsy ny rehetra no mandray tsara Azy. Ho hitantsika ao amin'ny lesona rahampitso ny maha-lohahevi-dehiben'ny filazantsaran'i Jaona ny fomba andraisan'ny olona na andavany an'i Jesôsy. Manomboka eto izany lohahevitra izany. Mampalahelo anefa fa tonga teo amin'ny olony ny Mesia, ny vahoaka lsiraely, saingy marobe no tsy nanaiky Azy ho Mesia.

Miresaka ny amin'izany lohahevitra mampalahelo izany i Paoly ao amin'ny Rôm. 9-11, izay nilazany fa Jiosy maro no nanda an'i Jesôsy. Tsy teny miiba anefa no namaranany izany; nolazainy fa Jiosy maro no hiara-manaiky amin'ny Jentilisa ny maha an'ny Mesian'izy ireo an'i Jesôsy. Nampitandrina ny Jentilisa izy mba tsy hizahozaho amin'ny Jiosy noho ny amin'ny fanekeny an'i Jesôsy. "Fa raha notapahina tamin'ny hazo oliva naniry ho azy hianao ka natsofoka tamin'ny hazo oliva tsara, nefa tsy tena sampany, mainka fa izay tena sampany no hatsofoka amin'ny hazo oliva nanapahana azy." - Rom. 11:24.

Tahatahaka izany ihany no ilazan'i Jaona fa izay rehetra mandray an'i Jesôsy ho Mpamonjiny dia ho tonga zanak'Andriamanitra. Amin’ny finoana ny Anarany no hahatanteraka izany (jereo ny Jao. 1:12,13).

Eo no ifandraisan'ny sasinteny sy ny famaranana ny filazantsaran'i Jaona. Resahin'ilay Apôstôly ao amin'ny Jao. 20:31 ny antony nanoratany: "mba hinoanareo fa Jesôsy no Kristy, Zanak'Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin'ny anarany, raha mino hianareo." Araka izany, ny teny fampidirana sy ny famaranana dia karazan-tsinga iray, fitambaran-kevitra izay mamintina ireo zavatra rehetra eo anelanelany. Manondro ny tanjona fototry ny filazantsaran'i Jaona izany fifandraisana izany, dia ny hahatonga ny olona ho voavonjy noho ny finoana an'i Jesôsy Kristy ho Mpamonjy ny tenany.

Nanova ny fiainanao ve ny nahatonga anao ho zanakalahy sy zanakavavin'Andriamanitra? Amin'ny fomba ahoana? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal