Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: NY AO AMBADIKY NY TANTARA: SASINTENY - Fampidirana

Daty
Sabotsy 12 October 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: Jao. 1:1-5; Gen. 1:1; Jao. 1:9-13; Jao. 3:16-21; Jao. 9:35-41; Mat. 7:21-23; Jao. 17:1-5.

Tsianjery: "Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra." - Jao. 1:1 

Niresaka momba ny ampahany farany amin'ny filazantsaran'i Jaona ny lesona 1, izay nanazava ny antony nanoratany ny filazantsarany. Ny lesona amin'ity herinandro ity kosa dia miverina any amin'ny fiandohan'io Filazantsara io, izay ampahafantaran'i Jaona, eo ambany fitarihan'ny tsindrimandrin'ny Fanahy Masina, ny lalana tiany hitondrana ny mpamaky. Ao amin'ny teny na ny paragrafy voalohany amin'ny lahatsoratra soratany matetika no anoloran'ny mpanoratra ny TV ireo lohahevitra tian'izy ireo horesahina. Tahaka izany koa no ataon'i Jaona, ary ny lohahevitra resahiny dia asehony toy ny ampahany amin'ny drafitra iray lehibe mahafaoka an'izao rehetra izao, izay maneho ireo fahamarinana fototra mikasika an'i Jesôsy Kristy — fahamarinana izay miresaka hatramin'ny fotoana talohan'ny Famoronana.

lo fanolorana ao amin'ny fiandohan'ny boky io dia manome tombony ho an'ny mpamaky (tombony izay tsy ananan'ireo mpandray anjara ao anatin'ny boky akory aza), noho ny fahafantarany sahady ny maha-Mesia an'i Jesôsy. Hitan'ny mpamaky mazava tsara ireo lohahevi-dehibe izay iverimberenan'ilay mpanoratra ny Filazantsara eo am-pitantarana ny tantaran'i Jesôsy. Tafiditra ao anatin'ny fe-potoana ara-tantaran'ny fiainan'i Jesôsy teto an-tany ireny lohahevi-dehibe ireny.

Hanomboka amin'ny sasinteny (Jao. 1:1-18) ny lesona mandritra ity herinandro ity, ary hamintina ireo lohahevi-dehibe ao anatin'izany. Hojerentsika any amin'ny andalan-teny hafa ao amin'ny filazantsaran'i Jaona koa ireo lohahevitra ireo. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal