Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: NY AO AMBADIKY NY TANTARA: SASINTENY - Fampidirana

Daty
Sabotsy 12 October 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: Jao. 1:1-5; Gen. 1:1; Jao. 1:9-13; Jao. 3:16-21; Jao. 9:35-41; Mat. 7:21-23; Jao. 17:1-5.

Tsianjery: "Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra." - Jao. 1:1 

Niresaka momba ny ampahany farany amin'ny filazantsaran'i Jaona ny lesona 1, izay nanazava ny antony nanoratany ny filazantsarany. Ny lesona amin'ity herinandro ity kosa dia miverina any amin'ny fiandohan'io Filazantsara io, izay ampahafantaran'i Jaona, eo ambany fitarihan'ny tsindrimandrin'ny Fanahy Masina, ny lalana tiany hitondrana ny mpamaky. Ao amin'ny teny na ny paragrafy voalohany amin'ny lahatsoratra soratany matetika no anoloran'ny mpanoratra ny TV ireo lohahevitra tian'izy ireo horesahina. Tahaka izany koa no ataon'i Jaona, ary ny lohahevitra resahiny dia asehony toy ny ampahany amin'ny drafitra iray lehibe mahafaoka an'izao rehetra izao, izay maneho ireo fahamarinana fototra mikasika an'i Jesôsy Kristy — fahamarinana izay miresaka hatramin'ny fotoana talohan'ny Famoronana.

lo fanolorana ao amin'ny fiandohan'ny boky io dia manome tombony ho an'ny mpamaky (tombony izay tsy ananan'ireo mpandray anjara ao anatin'ny boky akory aza), noho ny fahafantarany sahady ny maha-Mesia an'i Jesôsy. Hitan'ny mpamaky mazava tsara ireo lohahevi-dehibe izay iverimberenan'ilay mpanoratra ny Filazantsara eo am-pitantarana ny tantaran'i Jesôsy. Tafiditra ao anatin'ny fe-potoana ara-tantaran'ny fiainan'i Jesôsy teto an-tany ireny lohahevi-dehibe ireny.

Hanomboka amin'ny sasinteny (Jao. 1:1-18) ny lesona mandritra ity herinandro ity, ary hamintina ireo lohahevi-dehibe ao anatin'izany. Hojerentsika any amin'ny andalan-teny hafa ao amin'ny filazantsaran'i Jaona koa ireo lohahevitra ireo. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 09 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny maha-zava-dehibe ny fitiavana.
Mon 10 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny ataon’ny Fitiavana.
Tue 11 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny tsy ataon’ny Fitiavana.
Wed 12 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fanoritsoritana an’i Jesôsy.
Thu 13 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Finoana, fanantenana ary fitiavana.
Fri 14 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.
Sun 02 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fanomezampahasoavana samy hafa.
Mon 03 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Firaisana ao anatin’ny fahasamihafana.
Tue 04 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Làlana tsara indrindra.
Wed 05 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa.
Thu 06 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny faminaniana.
Fri 07 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (43)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal