Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 17 October 2025

Fianarana fanampiny:

Vakio "Ny nitana an'i Jordana", tt. 480-484 ao amin' ny PM.

"Diniho tsara ireo fanandraman'ny Isiraely nandritra ny diany nankany Kanana. Diniho ny toko fahatelo sy fahefatra ao amin'ny bokin'i Josoa, izay mandrakitra ny fiomanan'izy ireo ho amin'ny fiampitana an'i Jordana sy ny nitany teo hankany amin'ilay tany nampanantenaina. Aoka ny fo sy ny saina hianatra mandrakariva ka hamelombelona ny fitadidiana amin'ny alalan'ireo lesona nampianarin'ny Tompo ny vahoakany fahiny. Ary ho antsika koa, tahaka izay nikendreny izany ho azy ireo, dia hahaliana sy hahatalanjona mandrakariva ny fampianaran'ny Teniny." - SDABC, b. 2, 1. 994.

"Tandindomin-doza lehibe kokoa ny Isiraely moderina raha oharina amin'ireo vahoakan Andriamanitra fahiny, ny amin'ny hanadinoany an'Andriamanitra sy ny hahatonga azy ho voatarika hanompo sampy. Sampy marobe no iankohofan'izy ireo, eny fa na ireo izay mitonona ho mpitandrina ny Sabata aza. Nanome toromarika manokana an'ireo vahoakany fahiny Andriamanitra mba hitandreman'izy ireo tsy hanompo sampy, satria raha miala amin'ny fanompoana an'llay Andriamanitra velona izy, dia hihatra aminy ny Fanozonany. Raha toa kosa izy ireo ka tia Azy amin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra ary ny heriny rehetra, dia handrotsaka fitahiana manana amby ampy ho azy ireo Izy ka hitahy ny harony sy ny fitoeram-bariny ary tsy ho eo anivon'izy ireo ny aretina." - TFC, b. 1, t. 609.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Ifanakalozy hevitra ao amin'ny kilasinao ny nitana an'i Jordana tamin'ny fomba mahagaga. Ahoana no hamaritanao ny fahagagana? Nahoana no toa tsy manao fahagagana Andriamanitra amin'izao andro izao?

2. Inona no fomba tsotra azonao atolotra ny kilasinao mba hisorohana ny fanadinoana ara-panahy, ho an'ny tsirairay ary ho an'ny fiangonana? Zava-dehibe ny hananantsika fifandraisana velona sy mitohy amin'Andriamanitra, tsy miorina amin'lreo fanandramana manan-danja tamin'ny lasa koa anefa ny fanandramantsika manontolo amin'ny maha-Kristianina antsika. Na izany aza, ahoana no ahafahantsika mbola mampiasa ny fanandramantsika tamin'ny lasa ihany ho fampahatsiahivana ny fidiran'Andriamanitra an-tsehatra teo amin'ny fiainantsika?

3. Araka ny hevitrao, ahoana no anampian'ny Sabata antsika hahatsiaro ny asa nataon'Arıdriamanitra teo amin'ny fiainantsika? Etsy ankilan'izany, ahoana no anomezan'ny Sabata antsika fahafahana manandrana sahady ny fitsaharana nampanantenaina, any amin'ny Fanjakany? Ahoana no anondroan'ny Sabata ny zavatra tokony hotsaroantsika sy izay azontsika antenaina koa amin'ny hoavy?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal