Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.

Daty
Alatsinainy 13 October 2025

ILAY ANDRIAMANITRA VELONA MPANAO FAHAGAGANA

Vakio ny Jos. 3:6-17. Inona no ambaran'ny fiampitan'ny Isiraely an'i Jordana tamin'ny fomba mahagaga momba ny toetr'ilay Andriamanitra izay tompointsika?

Ny teny hebreo hoe "niphla'ot", "fahagagana, zava-mahatalanjona" no ilazana ny fiampitan'ny Isiraely ny onin'i Jordana ao amin'ny Jos. 3:5, fampiasa matetika izany mba hanondroana ny asa mahagaga sy lehibe ataon'Andriamanitra ary koa maneho ny maha-tsy manan-tsahala Azy (Sal. 72:18; Sal. 86:10). Nisaintsaina ireny asa mahatalanjona ireny ny Isiraelita taty aoriana, ary nidera an'i Jehôvah vokatr'izany (Sal. 9:1) no sady nanambara ny momba Azy tany amin'ny firenena rehetra (Sal. 96:3). Ny loza tany Egypta (Eks. 3:20; Mika 7:15), ny fiampitana ny Ranomasina Mena, ary koa ny fitarihan'Andriamanitra ny Isiraelita tany an'efitra (Sal. 78:12-16) no zava-mahagaga naverina notantaraina indray.

Fantatr'ireo mpanoratra ny Baiboly fa Ilay Andriamanitra izay nahary izao tontolo izao dia tsy mba voafetra na voasakan'ny voariny, ary nijoro ho vavolombelon'izany izy ireo. Tsy misy zavatra tsy hainy atao (Heb. "sarotra loatra ho Azy") (Jer. 32:17). Mahagaga ny anarany sy ny toetrany (Mpits. 13:18), ary tsy mety ho takatry ny fisainantsika ny momba Azy.

Tsy tahaka ireo andriamanitry ny firenen-kafa izay tsy mahavonjy (Sal. 96:5; Isa. 44:8), ny Andriamanitry ny Baiboly dia "Andriamanitra velona" sy miasa ary azon'ny mpanara-dia Azy itokiana noho ny fahafantaran'izy ireo fa hiditra an-tsehatra ho azy Izy.

Nampiasa io teny io koa ny mpaminany Zakaria (avy amin'ny fototeny hoe niphla'ot) raha naminavina ny hoavin'ny Isiraely aorian'ny fahababoan'izy ireo tany Babylona. Azony sary an-tsaina tamin'izany fa ho voaorina tanteraka i Jerosalema ary hipetraka eny an-dalam-ben'ny tanana ireo zokiolona; hitany koa ireo ankizilahy sy ankizivavy milalao eo. Hoy i Zakaria tamin'ireo mponina izay toa tsy nino izany noho ny fahitan'izy ireo ny faharavan'ilay renivohitra: "Izao no lazain'i Jehôvah , Tompon'ny maro: Raha mahagaga izany eo imason'ny sisa amin'ity 'ity firenena ity amin'izany andro izany, moa hahagaga eo imasoko koa va? Hoy Jehôvah , Tompon'ny maro. Izao no lazain'i Jehôvah , Tompon'ny maro: Indro, hamonjy ny oloko avy any amin'ny tany atsinanana sy amin'ny tany andrefana Aho; ary hitondra azy Aho, ka honina any Jerosalema izy." - Zak. 8:6-8a.

Vakio ny Lio. 18:18-27. Ahoana no ampaherezan'ny valintenin'i Jesôsy tamin'ny mpianany anao mba hatoky an'Andriamanitra amin'ny zavatra izay toa tsy azo heverina mihitsy?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal