Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 24 July 2026

"Fananarana sy torohevitra", toko faha-29 ao amin'ny VM.

Mahaliana tokoa ny fitanisana ireo fahotana ao amin'ny 1 Kor. 5:10, 11 sy ny 1 Kor. 6:9, 10, izay mampifanindran-dalana ny fanompoan-tsampy sy ny fimamoana amin'ny fijangajangana. Ampahatsiahivin'i Paoly ao amin'ny 1 Kor. 10:7 (ampitahao amin'ny Eks. 32:1-6) fa ny andro firavoravoan'ny mpanompo sampy dia matetika no ahitana fihinanam-be sy fibobohana, izay nanokatra varavarana ho an'ny fijangajangana (1 Kor. 10:8).

Hoy i Ellen G. White: "Tsy misy olona mahay mifaly amin'ny fitahian'ny fanamasinana raha mbola tia tena sy fatra-pitia hanina izy. (...) Mahatalanjona ny fahafahan'ny vatan'olombelona miaro tena amin'ny fanararaotana atao aminy, kanefa ny fahazaran-dratsy mitohy eo amin'ny fihinana sy ny fisotro tafahoatra dia hampahalemy ny asan'ny taova rehetra ao amin'ny vatana. Amin'ny fanomezana fahafaham-po ny fitiavan-komana sy ny filan-dratsy, na dia ireo mitonona ho Kristianina aza dia manembantsembana ny asan'ny natiora ary mampihena ny herin'ny vatana sy ny saina ary ny toetra."- SL, tt. 25, 26.

"Rehefa foana tanteraka ny 'izaho' ao amin'ny olona iray, ary rehefa roahina tsy ho ao amin'ny fo ny andriamani-tsy izy rehetra, dia ny firotsahan'ny Fanahin'i Kristy no mameno ny banga. Ny olona toy izany dia manana finoana izay miasa amin'ny alalan'ny fitiavana ary manadio ny fanahy ho afaka amin'ny fahalotoana ara-pitondrantena sy ara-panahy rehetra."-The Home Missionary, Novambra 1889.

"Maniry hanandratra antsika ho amin'ny fenitra avo sy madion'ny lanitra Andriamanitra. Ho amin'izany tanjona izany no iasan'ny Fanahiny mandrakariva ao anatintsika (...) Ny fironana mana-olombelona antsika, raha tsy ahitsin'ny Fanahin'Andriamanitra, dia mitondra ao aminy ny voan'ny fahafatesana ara-moraly."- Ms 12, 1888.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Maro tamin'ireo mpino tao Korinto no nampiseho faniriana hahazo fankatoavana sy fiderana avy amin'ny kolontsaina manodidina azy azy. Nahoana no mampidi-doza ho an'ny maha-Kristianina izany? Inona no azontsika atao mba tsy hamerenana izany fahadisoana izany?

2. Ny fanontaniana miendrika hailahateny nataon'i Paoly hoe: "Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin'ny Fanahy Masina (...)?"- 1 Kor. 6:19, dia manakatona andiam- panontaniana fito ao amin'ny 1 Kor. 5-6 İzay manomboka amin'ilay fomba fiteny hoe Tsy fantatrareo va?" (1 Kor. 5:6; 1 Kor. 6:2, 3, 9, 15, 16, 19). Ireo fanontaniana rehetra ireo dia mitaky valiny mazava sy hentitra hoe: "Eny, fantatray izany." Ahoana no anampian ireo fanontaniana ireo antsika hahatakatra ny fanahian'i Paoly momba ny fiangonana? Nahoana koa isika ankehitriny no tokony ho liana sy hanahy ny amin ireo olana ireo?

3. Avy amin'Andriamanitra ny fanambadiana (Gen. 1:27, 28; Gen. 2:18-24) ka tokony homen-kaja (Heb. 13:4). Ao anatin'ny fotoana izay iheveran'ny maro fa lany andro ny fanambadiana, ahoana no anehoantsika amin'izao tontolo izao fa tena fanomezana avy amin'Andriamanitra izany, ary hatrany Edena mihitsy?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 09 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny maha-zava-dehibe ny fitiavana.
Mon 10 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny ataon’ny Fitiavana.
Tue 11 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny tsy ataon’ny Fitiavana.
Wed 12 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fanoritsoritana an’i Jesôsy.
Thu 13 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Finoana, fanantenana ary fitiavana.
Fri 14 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.
Sun 02 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fanomezampahasoavana samy hafa.
Mon 03 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Firaisana ao anatin’ny fahasamihafana.
Tue 04 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Làlana tsara indrindra.
Wed 05 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa.
Thu 06 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny faminaniana.
Fri 07 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal