Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanambadiana sy ny fijanonana ho tokan-tena.

Daty
Alakamisy 23 July 2026

Ao anatin'ny tontolon-kevitry ny fampitandremana momba ny fijangajangana no ilazan'i Paoly fa "tempolin'ny Fanahy Masina ny tenantsika " (1 Kor. 6:19). Ny maha-tempolin'ny Fanahy dia midika ho fananana fiainam-pahamasinana. Ny fiangonana dia fiarahamonina kristianina izay miavaka amin'ireo manodidina azy. Ny fanatrehan'ny Fanahy Masina no mahatanteraka izany.

Vakio ny 1 Kor. 6:19-7:9. Ahoana no anazavan'ireo andalan-teny ireo ny fomba hampiharana ilay didy hoe: "Mandosira ny fijangajangana"- 1 Kor. 6:18?

Misy lesona manan-danja mikasika ny firaisana ara-nofo ao amin'ny 1 Kor. 7. Raha jerena ankapobeny, dia azo zaraina roa io toko io: (1) torolalana mikasika ny fanambadiana (1 Kor. 7:1-24) ary (2) torolalana mikasika ny fijanonana ho tokan-tena (1 Kor. 7:25-40). Ny 1 Kor. 7 no manampy antsika hahatakatra fa zava-dehibe sy tokony hatao tokoa ny miresaka momba ny firaisana ara-nofo.

Rehefa mamaky ny 1 Kor. 7 anefa isika dia tokony hahatsiaro fa mamaly fanontaniana manokana izay nifandraika tamin'ireo olan'ny fiangonana tany Korinto i Paoly. Raha tsy izany, ny teny sasany lazainy dia dia mety hitarika antsika hino fa manana fomba fijery miiba mikasika ny fanambadiana izy, nefa tsy izany velively no izy (jereo ny 1 Tim. 4:1-3; 1 Tim. 5:14; ary koa ny Heb. 13:4).

Manaitra tokoa fa ny baiko manao hoe: "Mandosira ny fijangajangana"- 1 Kor. 6:18 dia ialohavan'ny lohahevitra momba ny firaisana amin'i Kristy (1 Kor. 6:17) ary mialoha ny firesahana momba ny maha-tempolin'ny Fanahy antsika (1 Kor. 6:19). Moa ve misy fomba hafa tsara kokoa hahafaha-mandositra ny fijangajangana mihoatra izany? Mazava loatra fa tsia.

Andriamanitra no nahary ny firaisana ara-nofo, nefa ao anatin'ny fanambadiana ihany no tokony hanaovana izany. Tombontsoa omena ny mpivady lahy sy vavy ny firaisana ara-nofo, izany no fikambanana hany ankatoavin'ny Baiboly.

Raha nilaza i Paoly hoe: "mandosira ny fijangajangana", dia azo inoana fa tonga tao an-tsainy ny tantaran'i Josefa (Gen. 39:6-18). Voalazan'ny Baiboly fa "lasa nandositra any ala-trano" i Josefa (Gen. 39:18) teo anatrehan'ireo fakan'ny vadin'i Potifara fanahy azy mba handry aminy. Tsy latsaky ny in-4 no ilazana izany ao amin'ny Gen. 39:6-18. Na dia tsy ambaran'ny Baiboly mivantana aza, dia hita taratra fa niandry ny ho tafiditra tao anatin'ny tokantrano i Josefa vao niroso tamin'ny firaisana ara-nofo (Gen. 41:45). Lehilahy feno ny Fanahy Masina izy (Gen. 41:38) ary naniry hanao izay tsara eo imason'Andriamanitra.

Amin'ny maha-fiangonana antsika, ahoana no hiarovantsika tena amin'ny fomba fijery diso mikasika ny firaisana ara-nofo izay mibahan-toerana eo amin'ny kolontsaina?
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 09 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny maha-zava-dehibe ny fitiavana.
Mon 10 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny ataon’ny Fitiavana.
Tue 11 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny tsy ataon’ny Fitiavana.
Wed 12 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fanoritsoritana an’i Jesôsy.
Thu 13 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Finoana, fanantenana ary fitiavana.
Fri 14 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.
Sun 02 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fanomezampahasoavana samy hafa.
Mon 03 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Firaisana ao anatin’ny fahasamihafana.
Tue 04 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Làlana tsara indrindra.
Wed 05 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa.
Thu 06 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny faminaniana.
Fri 07 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal