Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4 : FANAMBARANA AN'I KRISTY HO MESIA - Fampidirana

Daty
Sabotsy 19 October 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: Jao. 1:19-23; Isa. 40:1-5; Jao. 1:29-37; Rôm. 5:6; Jao. 1:35-39; Jao. 1:43-51; Jao. 3:1-21. 
Tsianjery: "Jesôsy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra."— Jao. 3:3. 

Tsy isalasalana fa notohanan'i Jesôsy porofo mazava avy ao amin'ny Soratra Masina ireo fanambarana nataony momba ny Tenany teo imason'ny vahoaka, anisan'izany ilay fanambarany hoe: "Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino no manana fiainana mandrakizay."— Jao. 6:47.

Kanefa nanao mihoatra noho izany Izy, nanova ny rano ho divay, namahana olona an'arivony tamin'ny alalan'ny mofo vitsy monja, nanasitrana ny zanak'ilay tandapa, nanasitrana ilay lehilahy teo anilan’ny farihy Betesda, nampahiratra ilay lehilahy teraka jamba, ary nanangana an'i Lazarosy tamin'ny maty. Toe-javatra sy olona isan-karazany no resahin'i Jaona — Jiosy, Jentilisa, mpanan-karena, mahantra, lehilahy, vehivavy, mpanapaka, olon-tsotra, olona avara-pianarana, sy tsy nandia fianarana — mba hanambarany ny maha-Izy an'i Jesôsy.

Resahin'i Jaona koa aza ny amin'ny fanambarana ataon'Andriamanitra Ray sy ny Soratra Masina; izany rehetra izany ho fanaporofoana ny maha-Izy an'i Jesôsy.

Ny fanambarana lehibe nataon'i Jaona mpanao batisa no hanombohantsika ity herinandro ity. Ho hitantsika koa ny fanambaran'ireto olona manaraka ireto: i Andrea sy i Simona Petera, i Filipo sy i Natanaela, ary ilay tsy ampoizina indrindra: i Nikôdemôsy fariseo. Kanefa misy vavolombelona iray manao fanambarana, izay miafina ao ambadik'izy ireo (mpianatra iray niaraka tamin'i Andrea, ao amin'ny Jao. 1:35,40) — tsy iza izany fa i Jaona mihitsy. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal