Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4 : FANAMBARANA AN'I KRISTY HO MESIA - Fampidirana

Daty
Sabotsy 19 October 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: Jao. 1:19-23; Isa. 40:1-5; Jao. 1:29-37; Rôm. 5:6; Jao. 1:35-39; Jao. 1:43-51; Jao. 3:1-21. 
Tsianjery: "Jesôsy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra."— Jao. 3:3. 

Tsy isalasalana fa notohanan'i Jesôsy porofo mazava avy ao amin'ny Soratra Masina ireo fanambarana nataony momba ny Tenany teo imason'ny vahoaka, anisan'izany ilay fanambarany hoe: "Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino no manana fiainana mandrakizay."— Jao. 6:47.

Kanefa nanao mihoatra noho izany Izy, nanova ny rano ho divay, namahana olona an'arivony tamin'ny alalan'ny mofo vitsy monja, nanasitrana ny zanak'ilay tandapa, nanasitrana ilay lehilahy teo anilan’ny farihy Betesda, nampahiratra ilay lehilahy teraka jamba, ary nanangana an'i Lazarosy tamin'ny maty. Toe-javatra sy olona isan-karazany no resahin'i Jaona — Jiosy, Jentilisa, mpanan-karena, mahantra, lehilahy, vehivavy, mpanapaka, olon-tsotra, olona avara-pianarana, sy tsy nandia fianarana — mba hanambarany ny maha-Izy an'i Jesôsy.

Resahin'i Jaona koa aza ny amin'ny fanambarana ataon'Andriamanitra Ray sy ny Soratra Masina; izany rehetra izany ho fanaporofoana ny maha-Izy an'i Jesôsy.

Ny fanambarana lehibe nataon'i Jaona mpanao batisa no hanombohantsika ity herinandro ity. Ho hitantsika koa ny fanambaran'ireto olona manaraka ireto: i Andrea sy i Simona Petera, i Filipo sy i Natanaela, ary ilay tsy ampoizina indrindra: i Nikôdemôsy fariseo. Kanefa misy vavolombelona iray manao fanambarana, izay miafina ao ambadik'izy ireo (mpianatra iray niaraka tamin'i Andrea, ao amin'ny Jao. 1:35,40) — tsy iza izany fa i Jaona mihitsy. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal