Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4 : FANAMBARANA AN'I KRISTY HO MESIA- Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 25 October 2024

Vakio ny IFM, toko 17: "Nikodemosy".

"Nandinika ny Soratra Masina tamin'ny fomba vaovao" i Nikodemosy, "tsy hoenti-mifamaly momba ny hevitra iray, fa mba handraisana fiainana ho an'ny fanahy. Nanomboka nahita ny fanjakan'ny lanitra izy raha nampilefitra ny tenany hotarihin'ny Fanahy Masina. (...)

"Amin'ny alalan'ny finoana no andraisantsika ny fahasoavan'Andriamanitra: tsy ny finoana anefa no Mpamonjy antsika. Tsy mahazo na inona na inona izany. Tanana izay hamikirantsika an'i Kristy izany, ka handraisantsika ho an'ny tenantsika ny fahamendrehany, ho fanafodin'ny fahotana. (...) Avy amin'i Kristy tahaka ny maha-avy Aminy ny marina, ny famelan-keloka sy ny fibebahana.

"Ahoana ary no hahavoavonjy antsika? 'Tahaka ny nanandratan'i Mosesy ny menarana tany an-efitra', no nanandratana koa ny Zanak'olona, ary izay rehetra voafitaka sy voakaikitry ny menarana, ka afaka mijery dia ho velona. 'Indro ny Zanak'ondrin‘Andriamanitra, izay manaisotra ny fahotan’ izao tontolo izao.'- Jao. 1:29. Ny fahazavana mamirapiratra avy amin'ny hazo fijaliana dia maneho ny fitiavan'Andriamanitra. Ny fitiavany no mitaona antsika ho eo Aminy. Raha tsy manohitra io fitaomana io isika dia ho voatarika eo am-pototry ny hazo fijaliana, hibebaka noho ireo fahotana izay nanombo ny Mpamonjy teo amin'ny hazo dia mahatonga fijaliana. Amin'izay, aina vaovao ao amin'ny fanahy ny Fanahin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny finoana. Voababo hankato ny sitrapon'i Kristy ny fisainana sy ny faniriana. Voaforona indray ny fo, ny saina ho araka ny endrik'llay miasa ao anatintsika mba hampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy. Amin’ izay dia voasoratra ao an-tsaina sy ao am-po ny lalàn'Andriamanitra, ary azontsika atao ny miteny miaraka amin'i Kristy hoe: 'Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô no sitrako." - Sal. 40:8.-IFM, t. 128,129 (ed. 2023).

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Hanomana ny lalana hidiran'i Jesôsy no nahatongavan'i Jaona mpanao batisa. Manao ahoana ny fahitanao ny asany? Nahomby ve izy, farafahakeliny araka ny fijery maha-olombelona anao? Eo am-pisaintsainanao ny valiny dia apetraho koa ity fanontaniana manan-danja ity: Ahoana no hamaritanao ny atao hoe "fahombiazana" ara-panahy?

2. Taty aoriana dia naneho ny fisalasalana tao am-pony i Jaona mpanao batisa (Mat. 11:2,3; Lio. 7:19). Inona no nahatonga azy hametraka ireo fanontaniana ireo, ary inona ny lesona azontsika raisina avy amin'izany ny amin'ny fomba hanamafisana ny finoantsika?

3. Ifanakalozy hevitra ao amin'ny kilasy ny hoe: ahoana no mahatonga ny olona tahaka an'i Nikodemôsy, izay mpitarika ao amin'ny fiangonana, olona izay azo antoka fa manam-pahalalana be tokoa, ho tsy ampy fahalalana momba izay zavatra tena manan-danja ara-panahy?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal