Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4 : FANAMBARANA AN'I KRISTY HO MESIA- Ireo mpianatr’i Jaona roa lahy

Daty
Talata 22 October 2024

Niaraka tamin'i Jaona mpanao batisa ny mpianany roa lahy rehefa nitsangantsangana tsy lavitra teo i Jesôsy. Dia hoy i Jaona: "Indro ny Zanak'ondrin’Andriamanitra " - Jao. 1:36. Efa nihaino ny hafatr’i Jaona momba an'i Kristy izy roa lahy, Izay hahatanteraka ny faminaniana ao amin'ny TT momba ny Mesia ho avy. Nandao an'i Jaona ireo mpianatra ireo mba hanaraka an'i Jesôsy, fantatr’izy ireo fa lehibe noho i Jaona mpanao batisa i Jesôsy, ary izy no fahatanterahan'ny hafatr'i Jaona

Vakio ny Jao, 1:35-39. Inona no nataon'ireto mpianatra roa lahy ireto rehefa avy nandre ny fanambaran'i Jaona momba an' i Jesôsy?

Naniry hiaraka amin'i Jesôsy izy ireo, koa niaraka Taminy nandritra ny tontolo andro. Iza no mahalala ireo zava-mahatalanjona nianarany sy niainany tamin’izany?

Inoana fa nanan-danja lehibe izany satria avy hatrany dia naniry hizara ny fanandramany tamin'ny hafa izy ireo. I Andrea, iray amin'ireo mpianatra roa lahy, dia nankany amin'i Simona rahalahiny faingana nanao hoe: "Efa nahita ny Mesia izahay (izay atao hoe, raha adika ny Kristy)."- Jao. 1:42. Rehefa nentin'i Andrea teo amin'i Jesôsy ny rahalahiny dia nasehon'i Jesôsy  avy hatrany fa fantany izy. Hoy i Jesôsy: "Hianao no Simona, zanak'i Jaona; hianao hatao hoe Kefasy." - Jao. 1:42. Mahalala sy mahafantatra tsara an'i Petera i Jesôsy. Hevitra voizin'i Jaona ao amin'ny filazantsarany io fahafantaran'i Jesôsy ny olona iray io. (Jereo ohatra ny Jao. 2:24,25).

"Raha nanana ny toe-tsaina tsy mino nisy teo amin'ny mpisorona sy ny mpanapaka i Jaona sy Andrea, dia tsy ho hita nianatra teo an-tongotr’i Jesôsy izy. Ho tonga hanao fanakianana sy hitsara ny teniny fotsiny izy ireo. (...) Tsy toy izany anefa no nataon'ireo mpianatra voalohany. Efa namaly ny antson'ny Fanahy Masina izy teo amin'ny fitoriana nataon'i Jaona Mpanao batisa. (...) Nisy fanazavana avy tamin'Andriamanitra nitosaka teo amin'ny fampianarana Soratra Masina ao amin'ny Testamenta Taloha." - IFM, t. 98 (ed. 2023).

Ny fanazavana ny hoe iza moa i Jesôsy no ifantohan'ny filazantsaran'i Jaona manontolo, mba ho voambara amin'izao tontolo izao izany vaovao mahafaly izany.

Ahoana no nanovan'i Kristy, na ny finoana an'i Kristy, ny fiainanao? Inona koa ireo fiovana mbola tianao hitranga?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal