Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4: FANAMBARANA AN'I KRISTY HO MESIA - Ny zak’ondrin’Andriamanitra

Daty
Alatsinainy 21 October 2024

Mesia hanafaka azy ireo amin'i Rôma no nandrandrain'ny firenena hebreo. Ny tanjon'i Jaona ao amin'ny filazantsarany dia ny hanova ny fomba fihevitry ny olona momba ny Mesia mba hahazoany mahafantatra ny fahatanterahan'ny faminaniana mikasika Ilay Mpanjaka ho avy, ao amin'i Jesôsy . Tsy ho mpanapaka eto an- tany ny Mesia. Tonga hanatanteraka ireo teny fikasana rehetra ao amin'ny TT mikasika ny Tenany Izy, ao anatin'izany ny fanaovana sorona ny Tenany ho an'izao tontolo izao, ary koa hanavao ny fifandraisana eo amin'Andriamanitra sy ny vahoakany.

Vakio ny Jao. 1:29-37. Inona ny fanambarana nataon' i Jaona mpanao batisa momba an'i Jesôsy? Inona ny sary ampiasainy anoritsoritana Azy, ary nahoana no zava-dehibe tokoa izany hahatakarana ny maha-Izy an' i Jesôsy sy ny asa nanirahana Azy?

Manohana ny tanjon'ny filazantsaran'i Jaona ny fanambaran'i Jaona mpanao batisa an'i Jesôsy ho Ilay Zanak'ondrin'Andriamanitra, mba hananan'ny olona fomba fijery vaovao momba ny asa sy ny toetoetry ny Mesia. I Jesôsy tokoa no ho fahatanterahan'ny teny fikasana ao amin'ny rafi-pisoronana, Ilay mpanavotra nampanantenaina, araka ny teny fikasana nomena voalohany ao amin'ny Gen. 3:15.

"Tamin'ny batisan'i Jesôsy, raha nanondro Azy amin'ny naha-Zanak' ondrin'Andriamanitra Azy i Jaona, dia nisy fahazavana vaovao izay nitosaka teo amin'ny asan'ny Mesia. Notarihina teo amin'ny tenin'Isaia ny sain'ny mpaminany dia ilay manao hoe: 'Tahaka ny Zanak'ondry entina hovonoina'- IFM, t. 96 (ed. 2023).

Vakio ny Mar. 10:45, Rôm. 5:6, sy ny 1 Pet. 2:24. Ahoana no anampian'ireo andininy ireo antsika hahatakatra ny asan'i Jesôsy amin'ny maha-Zanak'ondrin'Andriamanitra Azy?

Na dia nilain'i Jaona mpanao batisa aza ny nianatra misimisy kokoa momba ny asan'i Jesôsy, dia azony antoka tokoa fa i Jesôsy no ilay Mesia nampanantenaina, Ilay tonga hahatanteraka ny faminaniana.

Saintsaino lalina ny amin'llay fiantsoana an'i Jesôsy hoe "Zanak'ondrin'Andriamanitra". Inona ny sary asehon'izany ao an-tsaintsika? Misy ifandraisany amin'ny rafi-pisoronana ao amin'ny T T io fiantsoana io. Ahoana no anampian'izany anao hahatakatra ny halehiben'ny vidin'ny nanavotana antsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal