Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 19 July 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: Eks. 7:8--10:29; Nom. 33:4; Rom. 1:24-32; Sal. 104:27,28; lsa. 28:2,12-17; Isa. 44:9,10,12-17.

Tsianjery: "Dia nihamafy ny fon'i Farao ka tsy mba nandefa ny Zanak'lsiraely izy, araka izay efa nampilazain'i Jehôvah an'i Mosesy." - Eks. 9:35 

Nanao izay hihetsehan'ny ampondrany teo amin'ny toerana nisy azy ny mpiompy anankiray, saingy tsy nihontsona ilay ampondra. Noho izany, dia naka rantsan-kazo lehibe ilay mpiompy ary nikapoka ilay ampondra tamin'izany.

Rehefa izay dia niteny tamin'ilay ampondra izy, ary nanomboka nihetsika teo amin'ny toerany ilay biby. Rehefa nanontaniana ilay mpiompy ny amin'ny antony nampahomby izany fomba izany, dia izao no navaliny: "Atao aloha izay anintonana ny sainy sy ny fifantohany."

Ailitsika aloha izay mety ho lohahevitra resahin'ny olona mahakasika ny fampahoriana ny biby, fa andeha teboka iray no hasongadina izay hijerentsika manokana ny tontolon-kevitry ny fanafahana ny Hebreo avy tany Egypta. Nahazo baiko i Mosesy ka lasa nankany amin'i Farao hitondra izao teny fanta-daza izay nambaran'Andriamanitra izao: "shalach et ami", izany hoe, "Alefaso ny oloko."

Tsy te hamela ireo vahoakan'Andriamanitra handeha anefa i Farao. Tsy nohazavain'ny Soratra Masina mivantana ny antony tsy netezany hanao izany, na dia teo aza ny tahotry ny Egyptianina andrao ny Hebreo hanangana tafika hiady amin'izy ireo (Jereo ny Eks. 1:10). Antony ara-toe-karena no tena ivon'izany, araka izay fahita matetika eo amin'ny toe-javatra mifandraika amin'ny fanandevozana. Mpiasa tsy anaovana fandaniam-be ny andevo ka tsy te hamoy ny tombontsoa ara-toe-karena nomen'izy ireo izy. Noho izany, dia nila noresena lahatra izy, tsy ny mba hanintonana ny sainy fotsiny fa ny mba hampiova ny heviny koa. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal