Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 19 July 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: Eks. 7:8--10:29; Nom. 33:4; Rom. 1:24-32; Sal. 104:27,28; lsa. 28:2,12-17; Isa. 44:9,10,12-17.

Tsianjery: "Dia nihamafy ny fon'i Farao ka tsy mba nandefa ny Zanak'lsiraely izy, araka izay efa nampilazain'i Jehôvah an'i Mosesy." - Eks. 9:35 

Nanao izay hihetsehan'ny ampondrany teo amin'ny toerana nisy azy ny mpiompy anankiray, saingy tsy nihontsona ilay ampondra. Noho izany, dia naka rantsan-kazo lehibe ilay mpiompy ary nikapoka ilay ampondra tamin'izany.

Rehefa izay dia niteny tamin'ilay ampondra izy, ary nanomboka nihetsika teo amin'ny toerany ilay biby. Rehefa nanontaniana ilay mpiompy ny amin'ny antony nampahomby izany fomba izany, dia izao no navaliny: "Atao aloha izay anintonana ny sainy sy ny fifantohany."

Ailitsika aloha izay mety ho lohahevitra resahin'ny olona mahakasika ny fampahoriana ny biby, fa andeha teboka iray no hasongadina izay hijerentsika manokana ny tontolon-kevitry ny fanafahana ny Hebreo avy tany Egypta. Nahazo baiko i Mosesy ka lasa nankany amin'i Farao hitondra izao teny fanta-daza izay nambaran'Andriamanitra izao: "shalach et ami", izany hoe, "Alefaso ny oloko."

Tsy te hamela ireo vahoakan'Andriamanitra handeha anefa i Farao. Tsy nohazavain'ny Soratra Masina mivantana ny antony tsy netezany hanao izany, na dia teo aza ny tahotry ny Egyptianina andrao ny Hebreo hanangana tafika hiady amin'izy ireo (Jereo ny Eks. 1:10). Antony ara-toe-karena no tena ivon'izany, araka izay fahita matetika eo amin'ny toe-javatra mifandraika amin'ny fanandevozana. Mpiasa tsy anaovana fandaniam-be ny andevo ka tsy te hamoy ny tombontsoa ara-toe-karena nomen'izy ireo izy. Noho izany, dia nila noresena lahatra izy, tsy ny mba hanintonana ny sainy fotsiny fa ny mba hampiova ny heviny koa. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 15 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fampidirana.
Sun 16 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fahatokiana.
Mon 17 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Omeo ahy iry tendrombohitra iry.
Tue 18 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ny herin’ny ohatra aseho
Wed 19 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ilay mahery fo manetry tena
Thu 20 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Voaova noho ny fibanjinana
Fri 21 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fianarana fanampiny
Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (52)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal