Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Iza no nanamafy ny fon’i Farao?

Daty
Alatsinainy 21 July 2025

Vakio ny Eks. 7:3, 13, 14, 22. Ahoana no fahatakarantsika ireo andininy ireo?

 Intsivy no anambaran'ny Eksodosy fa Jehôvah no manamafy ny fon'i Farao (Eks. 4:21; Eks. 7:3; Eks. 9:12; Eks. 10:1, 20, 27; Eks. 11:10; Eks. 14:4, 8; jereo koa ny Rôm. 9:17, 18). Intsivy koa anefa i Farao no voalaza fa nanamafy ny fony (Eks. 7:13, 14, 22; Eks. 8:11, 15, 28; Eks. 9:7, 34, 35).

lza no nanamafy ny fon'ilay mpanjaka - Andriamanitra sa izy tenany ihany (Farao)?

Mahaliana tokoa ny fitantaran'ny Eksodosy momba ireo loza folo, izay ahitana fa i Farao ihany no tompon'andralkitra amin'ny fahamafisan'ny fony teo anatrehan'ireo loza dimy voalohany. Manomboka eo amin'ny loza fahenina kosa, dia ambaran'ny lahatsoratry ny Baiboly fa Andriamanitra no nanamafy ny fon'i Farao (Eks. 9:12). Izao no hevitr'izany rehetra izany: Nohamafisin'Andriamanitra na nataony lalindalina kokoa ny safidy manokana nataon'i Farao sy ny asa nataony araka ny nahim-pony; efa nambaran'Andriamanitra tamin'i Mosesy fa hanao izany Izy (Eks. 4:21).

Raha lazaina amin'ny teny hafa, dia nandefa ireo loza samihafa Andriamanitra mba hanampiana an'i Farao hibebaka sy mba hanafahana azy amin'ny fahamaizinana sy ny fahadisoan'ny fisainany. Tsy namorona faharatsiana vaovao tao am-pon'i Farao tsy akory Andriamanitra fa navelany nitoetra tao anatin'ny fironana ho amin'ny ratsy izay efa tao anatiny rahateo i Farao. Nesoriny teo amin'i Farao ny fahasoavana izay miaro sy mamefy azy ka natolony ho amin'ny faharatsiam-panahiny ihany izy (jereo ny Rôm. 1:24-32).

Nanana safidy malalaka i Farao - azony natao ny nisafidy hiandany amin' Andriamanitra na hanohitra Azy - ary nifidy ny hanohitra an'Andriamanitra izy.

Mazava ny lesona. Efa nomena antsika ny fahafahana misafidy ny mety na ny tsy mety, ny tsara na ny ratsy, ny fankatoavana na ny tsy fankatoavana. Hatramin'i Losifera tany an-danitra ka hatramin'i Adama sy i Eva tany Edena, ary hatramin'ny Farao tany Egypta ka hatramin'izao fotoana izay iainantsika izao - na aiza na aiza isika no mitoetra, dia mifidy ny fiainana na ny fahafatesana isika (Deo. 30:19).

Indro misy sary an'ohatra iray: alao sary an-tsaina ny tara-masoandro izay miantefa eo amin'ny dibera sy ny tanimanga. Mampitsonika ny dibera izany, saingy manamafy ny tanimanga. Mitovy ihany ny hafanan'ny tara-masoandro tonga eo amin'ireo roa ireo, saingy samy hafa ny vokatr'izany eo aminlizy roa. Miankina amin'izay iantefan'izany ny vokatra miseho. Ho an'i Farao, dia azo lazaina fa niankina tamin'ny toetry ny fony manoloana an'Andriamanitra sy ny vahoakany izany.

Inona ny fanapahan-kevitra, miankina amin'ny safidy malalaka, horaisinao ao anatin'ny andro vitsivitsy ho avy? Raha fantatrao ny safidy tokony hatao, ahoana no hanomananao ny tenanao hanao izany? 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.
Sun 12 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Ny olan’ny fisaratsarahana ao am-piangonana.
Mon 13 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Mifantoka amin’i Jesôsy.
Tue 14 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fahendrena sy fahamatorana.
Wed 15 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fanompoana tahaka ny an’i Kristy.
Thu 16 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fomba fiaina maneho ny hazo fijaliana.
Fri 17 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.
Sun 05 Jul 2026
Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.
Mon 06 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fahadalana amin’izay ho very.
Tue 07 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Hery ho an’ireo izay hovonjena.
Wed 08 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Mesia voahombo.
Thu 09 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Kristy, hery sy fahendren’Andriamanitra.
Fri 10 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.
Sun 19 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Finoana sy fampiharana tsy mifanaraka.
Mon 20 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miatrika ny toe-java-mamohehatra.
Tue 21 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA -
Wed 22 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA -
Thu 23 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA -
Fri 24 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal