Vakio ny Eks. 7:8-15. Inona ny lesona azo raisina eto, ao anatin'ny fifanandrinana voalohany eo amin’llay Andriamanitry ny Hebreo sy ireo andriamanitr'i Egypta?
Hisy ady eo amin'ilay Andriamanitra velona sy ireo "andriamanitra" egyptianina. Hiharatsy kokoa ny toe-javatra noho ny fiheveran'i Farao ny tenany ho toy ny anankiray amin'ireo andriamanitra ireo. Tsy ireo Egyptianina na ny firenen'i Egypta no niadian'Andriamanitra fa ny andriamanitr'izy ireo (nivavaka tamin'ny andriamani-dahy sy andriamani-bavy 1500 ny Egyptianina). Mazava ny ambaran'ny lahatsoratry ny Baiboly: "ary ny andriamanitry ny Egyptiana dia hotsaraiko avokoa: izaho no Jehôvah ." Eks. 12:12. Ao aoriana kely, dia nasongadina indray izany, ao anatin'ny fitantarana ny dia lavitra nataon'ny Isiraely avy tany Egypta: "ary ny andriamaniny dia notsarain'i Jehôvah ." - Nom. 33:4.
Ohatra iray maneho mazava izany fitsarana ny andriamanitr'izy ireo izany ny fahagagana momba Hay tehina tonga menarana (Eks. 7:9-12). Naseho tamin'ny alalan'ny bibilava "cobra" ny andriamani-bavy Ouadjet izay nolazaina fa manana fahefana amin'ny faritra iva tany Egypta taminizany fotoana izany. Nisy sarin'ny "cobra" teo amin'ny satroboninahitry ny Farao ho fanehoana ny heriny sy ny maha-andriamanitra azy, ary ny fiandrianany sy ny fahefana maha-andriamanitra azy, noho io andriamani-bavy io mandrora amin'ny fahavalon'ny Farao ka manapoizina azy ireo amirfizany. Ninoan'ny Egyptianina koa fa hitari-dalana ny Farao ho any amin'ny fiainany aorian'ny fahafatesany io menarana manan-kasina io.
Niseho ny fahambonian'ilay Andriamanitra velona manoloana ny fanaovana fankatovana sy ny filalaovana odin'ireo Egyptianina rehefa tonga menarana ny tehin'i Arona ka nihinana ireo menarana hafa rehetra teo imason'ny mpanjaka. Tsy hoe resy fotsiny ilay famantarana ny herin'i Farao fa nohazonin'i Arona sy i Mosesy teny an-tanany mihitsy (Eks. 7:12,15). Nampiseho ny herin'Andriamanitra sy ny fanapahany an'i Egypta ilay fifanandrinana voalohany. Nanana fahefana sy hery lehibe kokoa noho izay nananan'ilay Farao "andriamanitra" i Mosesy tamin'ny maha-solontenan'Andriamanitra azy.
Tsara homarihina koa ny fiheveran'ny Egyptianina fahiny ny andriamanitra menarana iray antsoina hoe "Nehebkaou" ("ilay mifehy ny fanahin'ny olona") ho masina sy tokony hivavahana ary hiankohofana. Araka ny angano sy ny finoan'izy ireo, dia manana hery lehibe io menarana io satria vitany ny nitelina "cobra" fito. Araka izany, dia nampahafantarin'i Jehôvah ny Egyptianina fa Izy, fa tsy ilay andriamanitra menarana, no manana ny fahefana sy ny hery faratampony. Takatr'izy ireo taorian'izany fifanandrinana goavana izany tamin'ny fomba mazava sy haingana io hafatra io.
Ahoana ny fomba hamelantsika an'Andriamanitra hanana fiandrianana ambonin'ireo "andriamanitra" izay mitady haka ny toerana faratampony eo amin'ny fiainantsika?