Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Jehôvah sa ireo andriamani-kafa?

Daty
Alahady 20 July 2025

Vakio ny Eks. 7:8-15. Inona ny lesona azo raisina eto, ao anatin'ny fifanandrinana voalohany eo amin’llay Andriamanitry ny Hebreo sy ireo andriamanitr'i Egypta?

Hisy ady eo amin'ilay Andriamanitra velona sy ireo "andriamanitra" egyptianina. Hiharatsy kokoa ny toe-javatra noho ny fiheveran'i Farao ny tenany ho toy ny anankiray amin'ireo andriamanitra ireo. Tsy ireo Egyptianina na ny firenen'i Egypta no niadian'Andriamanitra fa ny andriamanitr'izy ireo (nivavaka tamin'ny andriamani-dahy sy andriamani-bavy 1500 ny Egyptianina). Mazava ny ambaran'ny lahatsoratry ny Baiboly: "ary ny andriamanitry ny Egyptiana dia hotsaraiko avokoa: izaho no Jehôvah ." Eks. 12:12. Ao aoriana kely, dia nasongadina indray izany, ao anatin'ny fitantarana ny dia lavitra nataon'ny Isiraely avy tany Egypta: "ary ny andriamaniny dia notsarain'i Jehôvah ." - Nom. 33:4.

Ohatra iray maneho mazava izany fitsarana ny andriamanitr'izy ireo izany ny fahagagana momba Hay tehina tonga menarana (Eks. 7:9-12). Naseho tamin'ny alalan'ny bibilava "cobra" ny andriamani-bavy Ouadjet izay nolazaina fa manana fahefana amin'ny faritra iva tany Egypta taminizany fotoana izany. Nisy sarin'ny "cobra" teo amin'ny satroboninahitry ny Farao ho fanehoana ny heriny sy ny maha-andriamanitra azy, ary ny fiandrianany sy ny fahefana maha-andriamanitra azy, noho io andriamani-bavy io mandrora amin'ny fahavalon'ny Farao ka manapoizina azy ireo amirfizany. Ninoan'ny Egyptianina koa fa hitari-dalana ny Farao ho any amin'ny fiainany aorian'ny fahafatesany io menarana manan-kasina io.

Niseho ny fahambonian'ilay Andriamanitra velona manoloana ny fanaovana fankatovana sy ny filalaovana odin'ireo Egyptianina rehefa tonga menarana ny tehin'i Arona ka nihinana ireo menarana hafa rehetra teo imason'ny mpanjaka. Tsy hoe resy fotsiny ilay famantarana ny herin'i Farao fa nohazonin'i Arona sy i Mosesy teny an-tanany mihitsy (Eks. 7:12,15). Nampiseho ny herin'Andriamanitra sy ny fanapahany an'i Egypta ilay fifanandrinana voalohany. Nanana fahefana sy hery lehibe kokoa noho izay nananan'ilay Farao "andriamanitra" i Mosesy tamin'ny maha-solontenan'Andriamanitra azy.

Tsara homarihina koa ny fiheveran'ny Egyptianina fahiny ny andriamanitra menarana iray antsoina hoe "Nehebkaou" ("ilay mifehy ny fanahin'ny olona") ho masina sy tokony hivavahana ary hiankohofana. Araka ny angano sy ny finoan'izy ireo, dia manana hery lehibe io menarana io satria vitany ny nitelina "cobra" fito. Araka izany, dia nampahafantarin'i Jehôvah ny Egyptianina fa Izy, fa tsy ilay andriamanitra menarana, no manana ny fahefana sy ny hery faratampony. Takatr'izy ireo taorian'izany fifanandrinana goavana izany tamin'ny fomba mazava sy haingana io hafatra io.

Ahoana ny fomba hamelantsika an'Andriamanitra hanana fiandrianana ambonin'ireo "andriamanitra" izay mitady haka ny toerana faratampony eo amin'ny fiainantsika? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ireo manda miaro ny fifandraisako amin’Andriamanitra.
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna.
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna sy ny Filazantsara.
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.
Sun 31 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.
Mon 01 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.
Tue 02 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana marina.
Wed 03 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.
Thu 04 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.
Fri 05 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal