Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Lalitra, biby fiompy ary vay.

Daty
Alarobia 23 July 2025

Vakio ny Eks. 8:20--9:12. Inona no ampianarin'io tantara io antsika momba izao: na lehibe manao ahoana aza ny fanehoana ny herin'Andriamanitra sy ny voninahiny, dia mbola manana fahafahana handà Azy hatrany ny olombelona?

Ilay andriamani-bavy egyptianina Uatchit no andriamanitry ny lalitra ary koa tompon'ny honahona. Naseho tamin'ny alalan'ny sarina lohan-dalitra i Khepri, andriamanitry ny masoandro miposaka sy ny famoronana ary ny fahateraham-baovao. Resin'i Jehovah avokoa ireo "andriamanitra" ireo. Ao amin'ity tantara ity, dia niharan'ny loza ny Egyptianina fa ny Hebreo kosa voaro (Eks. 8:20-24). Tsy mbola nisy loza nanjo ireo Hebreo hatramin'izao.

Averina indray fa nataon'Andriamanitra izany rehetra izany mba hampahafantarana an'i Farao fa "Izaho no Jehôvah afovoan'ny tany." - Eks. 8:18.

Nanomboka niady varotra i Farao; tsy isalasalana fa nihanavesatra ny tsindry nahazo azy. Nekeny ny handehanan'ny Isiraely hiankohoka amin'ny Andriamanitr'izy ireo sy ny hanaovany fanatitra ho Azy, saingy ao amin'ny tanin'i Egypta ihany (Eks. 8:21). Tsy azo notanterahina anefa ny fepetra napetrany noho ny fiheveran'ny Egyptianina ny biby ho masina ka hahatonga herisetra amin'ireo Hebreo ny fanaterana ireny ho fanatitra. Ankoatra izany, tsy izany no drafitr'Andriamanitra ho an'ny Isiraely.

Tao anatin'izany no namelezan'ny loza manaraka ireo biby fiompy (Eks. 9:1-7). Naseho tamin'ny alalan'ny sarina lohan'omby ny andriamani-bavin'ny fitiavana sy ny fiarovana tany Egypta (Hathor). Tian'ny olona tany Egypta fahiny sy nohajainy fatratra koa ny andriamani-dahy miendrika ombilahy (Apis). Araka izany, niampy indray ny andriamanitra resin'i Jehôvah , tamin'ny loza fahadimy, rehefa maty ireo biby fiompin'ny Egyptianina.

Tamin'ny loza fahenina (Eks. 9:8-12), no nampiharihariana ny faharesen'i Isis andriamani-bavin'ny fitsaboana sy ny majika ary ny fahendrena. Hitantsika koa ny faharesen'ireo andriamanitra hafa tahaka an'i Sekhmet (andriamani-bavin'ny ady sy ny valanaretina) sy i Imhotep (andriamanitry ny fitsaboana sy ny fanasitranana), izay tsy naharo ireo mpivavaka taminy akory. Toa maneso aza ny toe-javatra satria na dia ireo ombiasy sy mpanao ody aza dia nampahorin'ny vay ka tsy afa-nijanona tao an-dapa. Mampiseho izany fa miraviravy tanana izy ireo eo anatrehan'ilay Mpamorona ny lanitra sy ny tany.

Sambany teo amin'ny fitantarana momba ny loza folo no misy andalan-teny milaza fa "nanamafy ny fon'i Farao" i Jehôvah (Eks. 9:12). Mety hahavery hevitra io fehezanteny lo, nefa raha takatra ao anatin'ny tontolon-keviny feno izany, dia ho hita fa maneho indray ny famelan'Andriamanitra ny olona hijinja ny vokatry ny fandavany Azy mandrakariva.

Tsy teo amin'ny lafiny fahatakarana no olan'i Farao; efa nomena porofo azo tsapain-tanana Izy mba hanaovany safidy tsara. Ny fony no sakana teto, Inona no tokony hambaran'izany amintsika momba ny tokony hitandremantsika ny fontsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (42)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal