Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4 : MAHARIPO SY MIANTRA ANDRIAMANITRA - Ny fangorahan’i Jesôsy

Daty
Talata 21 January 2025

Ny karazam-panoharana sahala amin'izay hita ao amin'ny Testamenta Taloha ihany no ampiasaina ao amin'ny Testamenta Vaovao mba hanehoana ny fiantran'Andriamanitra. Tondroin'i Paoly hoe "Rain'ny famindrampo sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra" ny Ray (2 Kôr. 1:3). Ho fanampin'izany, dia hazavainy ao amin'ny Efes. 2:4 fa "manan-karena amin'ny famindrampo" Andriamanitra ary manavotra ny olombelona "noho ny halehiben'ny fitiavany izay nitiavany antsika."

Any amin'ny fanoharana samihafa, i Kristy dia mamerimberina ny fampiasana ny teny mitory fihetsehampo mampangorakoraka sy mahonena mba hanehoana ny fiantran'ny Ray (Mat. 18:27; Lio. 10:33; Lio. 15:20). Ary ny fomba fiteny izay maneho ny fiantran'Andriamanitra ao amin'ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao koa no ampiasaina ao amin'ny Filazantsara mba hanehoana ny fangorahan'i Jesôsy ireo ory.

Vakio ny Mat. 9:36; Mat. 14:14; Mar. 1:41; Mar. 6:34 ary ny Lio. 7:13. Jereo koa ny Mat. 23:37. Ahoana no anasongadinan'ireo toko sy andīniny Ireo ny fihetsehampo tsapan'l Kristy manoloana ny fahorian'ny olona?

Miverimberina hatrany ao amin'ny Filazantsara ny filazana fa onena ny olona ory sy mahantra i Kristy. Ary tsy onena azy ireo fotsiny Izy fa nanome izay nilainy koa.

Nitomany noho ny amin'ny olony koa i Jesôsy. Azo sary an-tsaina ny ranomaso teo amin'ny mason'i Kristy raha nitazana ny tanana Izy: "impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao, tahaka ny fanòmban'ny akoho ny zanany ao ambanin'ny elany, fa tsy nety hianareo!" - Mat. 23:37. Hitantsika eto fa mitovy amin'ny fitomanian'i Kristy ny fitomanian’Andriamanitra izay resahina manerana ny Testamenta Taloha. Maro ireo manam-pahaizana momba ny Baiboly no manamarika fa ny sary nampiasaina tany amin'ny faritra Proche-Orient fahiny izay maneho vorona mikarakara ny zanany kely dia hoenti-maneho izay noheverina ho andriamanitra irery ihany. Maro no mahita ny famerenana ny sary an'ohatra ao amin'ny Deo. 32:11 eto, izay maneho an'Andriamanitra tahaka ny vorona manidintsidina eo ambonin'ny zanany sy miaro ary mikarakara azy.

Tsy misy ohatra lehibe maneho ny fitiavan'Andriamanitra sy ny fangorahany antsika mihoatra noho i Jesôsy Izy ilay nanolotra ny ainy ho antsika tamin'ny alalan'ny fanehoam-pitiavana faratampony. Tsy hoe fanehoana tonga lafatra ny endrik’Andriamanitra fotsiny anefa i Kristy fa Môdely tanteraka ho an'ny taranak'olombelona koa. Ahoana no anahafantsika ny fomba fiainan'i Kristy ka hifantohantsika amin'ireo zavatra ilain'ny hafa, mba tsy hahatonga antsika hitory fotsiny ny fitiavan'Andriamanitra fa haneho Izany amin'ny fomba azo tsapain-tanana mihitsy?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (7)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal