Miresaka manokana ny amin'ny lohahevitra momba ny fanompoan-tsampy i Paoly rehefa avy nanome ohatra momba ny fandavan-tena avy amin'ny fanandramana lainany manokana. Amin'ny heviny iray, manazava ny hevitra ao amin'ny 1 Kor. 9:27 ny 1 Kör. 10, izay ilazan'i Paoly fa veleziny mafy ny tenany mba tsy ho lavina izy. Tiany hanaraka ny ohatra asehony ny Korintianina, nefa i Jesôsy no modely faratampony (1 Kor. 11:1).
Vakio ny 1 Kor. 10:7-11. Inona avy ireo fahotana nataon'ny Isiraely tany an'efitra, ary nahoana no mahatonga ny fahotany ho ratsy kokoa aza ny tombontsoa nomena azy ireo?
Atsidik'i Paoly ao amin'ny 1 Kor. 10:1-5 ny tantaran'ny vahoakan'Andriamanitra tany an'efitra. Ny firesahany momba ny rahona sy ny ranomasina dia mampahatsiahy ny fitarihan Andriamanitra, ny fanatrehany, ary ny fiarovany. Ny hanina sy ny fisotro kosa maneho ny famatsian'Andriamanitra. Antsoin'i Paoly hoe "batisa" ny fanandramana niainan'ny Isiraely tao amin'ny rahona sy ny ranomasina, tahaka ny batisa kristianina. Toy izany koa, manondro ny Fanasan'ny Tompo i Paoly rah amiresaka momba ny hanina sy ny fisotro.
Raha lazaina amin'ny teny hafa dia mampianatra ny 1 Kor. 10 fa, amin'ny heviny iray, dia miaina toe-javatra mitovy amin'izay niainan'ny Isiraely ny Kristianina. Kanefa mampahatsiahy ny tantaran'ny Isiraely i Paoly satria tsy tiany hiverina izany tantara izany. Na teo aza ny tombontsoą rehetra nananan'ny Isiraely, dia maro tamin'izy ireo no mbola naniry zava-dratsy ihany (1 Kor. 10:6), toy ny fanompoan-tsampy (1 Kor. 10:7) sy ny fijangajangana (1 Kor. 10:8). Koa tsy mahagaga raha tsy sitrak'Andriamanitra ny ankabiazany (1 Kor. 10:5).
Mora ny manome tsiny ny Isiraely fahiny sy milaza fa nahavita fahotana lehibe izy ireo. Kanefa, ambaran'i Paoly fa mety ho lavon'ny fahotana mitovy amin'izany koa ny Kristianina, na dia manana tombontsoa lehibe amin'ny fahafantarana ny tantaran'i Kristy aza. Mazava izany ao amin'ny fampitandremany hoe: «Izay manao azy fa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo» - 1 Kor. 10:12. Ny hoe «izay manao azy» dia midika fa misy olona ao am-piangonana tsy mahatsapa fa tandindomin-doza ho lavo amin'ireo fahotana ireo koa izy. Tandindomin-doza toy izany koa ve isika ankehitriny?
«Izay manao azy fa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo». Iza amintsika no tsy efa nahatsapa ny fahamarinan'izany fampitandremana izany?
Ambaran'ny Baiboly fa tsy hamela antsika halaim-panahy mihoatra noho izay zakantsika Andriamanitra, "fa momba ny fakam-panahy dia hasiany làlana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany" - 1 Kor. 10:13. Nahoana àry no toa mbola mora amintsika ny lavo amin'ny fahotana?