Vakio ny 1 Kor. 8:1-13. Nahoana i Paoly no mampitaha ny fahalalana amin'ny fitiavana, ary inona no tontolon-kevitra eto? Inona no tiany hambara?
Miresaka lohahevitra momba ny hanina naterina tamin'ny sampy i Paoly mba hamahana olana lalina kokoa: ny tsy fahampian'ny fitiava-namana (1 Kor. 8). Ampizara roa ny fiangonan'i Korinto ny raharaha momba ny hanina naterina tamin'ny sampy. Ny sasany nino fa ny fahalalany momba ny tsi-fisian'ny andriamani-kafa dia manome azy zo hihinana ny sakafo rehetra na aterina amin'ny sampy aza (1 Kör. Nantsoina hoe "manam-pahalalana" izy ireo (1 Kor. 4:10). Ireo izay nanohitra izany fihetsika izany kosa dia nantsoina hoe "malemy" (1 Kor. 8:9-12). Nampiasa izany mpamaritra izany i Paoly satria tsy mbola afaka tanteraka tamin'ny finoanoam-poana izy ireo, izay nanamarika ny fiainana naha-mpanompo sampy azy ireo teo aloha. Rehefa mahita ny "manam-pahalalana" mihinana hanina naterina tamin'ny sampy izy ireo, dia mety hanao tsoa-kevitra fa azo ampiarahina ny fivavahana kristianina sy ny fanompoan-tsampy. Koa tsy tian'i Paoly ho tonga fanafintohinana ho an'ny "malemy" ny "manam-pahalalana".
Zava-dratsy tokoa ny fijerin'ny Baiboly ny fihinanana hanina naterina tamin'ny sampy (Asa. 15:20,29; Asa. 21:25; ampitahao amin'ny Apok. 2:14,20). Na izany aza, tsy nanao fanambarana masiaka loatra i Paoly, araka ny hita amin'ireo andininy ireo. Ny tena nampanahy azy indrindra mantsy dia ny tsy firaisan-tsaina izay mety hateraky ny fampiasana diso ny fahalalana. Tsy manakiana ny fahalalana amin'ny maha-fahalalana azy i Paoly, fa manohitra kosa ny karazam-pahalalana izay mahatonga avonavona sy ny fisarahana ao am-piangonana. Ny fahalalana tsy misy fitiavana dia tsy fahalalana marina (1 Kor. 8:2). Rehefa tia an'Andriamanitra ny olona iray ary fantatr'Andriamanitra, dia manana fahalalana marina (1 Kor. 8:3).
Asehon'i Paoly amin'ny firesahany momba izay voalaza ao amin'ny Deo. 6:4, fa tsy maintsy fantatry ny mpino fa iray ihany Andriamanitra (1 Kor. 8:4-6). Mahaliana ny fanarahan'i Paoly ny filaharan-kevitra hita ao amin'ny Deo. 6:4,5, izay misy ny didy hoe « Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao» aorian'ny fanambarana fa Jehovah dia iray ihany. Ho an'i Paoly sy Mosesy, dia tsinontsinona ny fahalalana tsy misy fitiavana.
Natoky tena ny "manam-pahalalana" ka nino fa tsy mampaninona ny mihinana hanina natolotra tamin'ny sampy. Araka ny ho hitantsika amin'ny Alarobia sy Alakamisy, dia neken'i Paoly ny zon'izy ireo hanao izany, saingy miankina amin'ny fepetra vitsivitsy. Na izany aza, raha tonga fanafintohinana ho an'ny "malemy" izany (1 Kor. 8:9), dia tokony hialana. Natao haneho fandavan-tena ny Kristianina noho ny fitiavany an'i Kristy sy ny hafa.
Araka ny voalazan'l Paoly, raha tsy misy ny fitiavana, dia mety ho tonga zava-dratsy ny fahalalana (1 Kor. 8). Amin'ny toe-javatra manao ahoana no mety ho ratsy tokoa ny fahalalana tsy misy fitlavana?