Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: NY FAHATEZERAN'ANDRIAMANITRA FITIAVANA - Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 31 January 2025

Vakio ny PM, toko 28: "Ny fanompoan-tsampy tao Sinay.

Izao no nosoratan'i Ellen G. White momba ny fahotan'ny Zanak Isiraely tamin'ny nanamboarany ilay ombilahy kely volamena: "Meloka tamin'ny fivadihana 'ilay Mpanjaka tamin'ilay nampanantenainy ekena sy arahina an-tsitrapo ny Isiraely. Tsy maintsy nofaizana ny mpamadika mba hampijoroana ny fitondram-panjakan Andriamanitra. Eto dia nampiseho ny indrafony tamin'ny fanomezana ny tsirairay avy hisafidy malalaka sy fotoana hibebahana Andriamanitra, nefa koa tsy nanimba ny fahefana ananan'ny lalána navoakany. Ireo izay nikiribiby tamin'ny fahotana nataony ihany no novonoina."

"Nilaina mihitsy ny hamaizana io fandikan-dalàna io mba hanehoana amin'ny firenena mano-didina azy ny tsy fankasitrahan'Andriamanitra ny fanompoan-tsampy. Ankoatra izany, raha niampanga ireo firenena nanodidina azy ny Zanak'Isiraely taty aoriana noho io heloka io, ary ireo kosa niampanga azy fa niankohoka nivavaka tamin'ny ombilahy kely tao Hôreba, dia ho tsaroany amin'ny alalan'io zava-niseho io ny anjara mahatsiravina nahazo ny mpandika lalàna ary hanaporofo amin'izany fa tsy nankasitrahana akory na azo nalan-tsiny io heloka io.

"Mifandanja tsara anefa na ny fitiavana na ny fahamarinana nenti-nanao ny famaizana tao Hôreba. (...) Noho ny famindrampony (famindrampon’Andriamanitra) dia olona an'arivony no nofaizin'Andriamanitra, mba tsy hahavoatery Azy hamely olona an-tapitrisany aty aoriana. Olom-bitsy no nofaizina mba hamonjena ny maro."-PM, tt. 311,312.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Araka ny hevitrao, nahoana no manahiran-tsaina ny maro ny amin'ny fahatezeran'Andriamanitra? Inona no manampy anao hahatakatra tsara izany?

2. Inona ny olana mpitranga rehefa ny olona no manao valifaty, kanefa tsy mitranga velively rehefa Andriamanitra no mamaly?

3. Ohatra maneho ny famindrampon'Andriamanitra koa ny famaizany ny Zanak'lsiraely taorian'ny nikomian'izy ireo ka nanamboarany ilay ombilahy kely volamena; amin'ny fomba ahoana? Inona koa ireo ohatra hafa ao amin'ny Soratra Masina, izay mampiseho fa na ny fitsaran’Andriamanitra aza dia fanehoam-pitiavana?

4. Na dia takatsika tsara aza fa ara-drariny ny fahatezeran'Andriamanitra manoloana ny faharatsiana, ary amim-pahamarinana tanteraka no anaovany fitsarana, nahoana no tsy azontsika atao ny manameloka ny hafa? Ifanakalozy hevitra ny amin'izany eo am-pandinihana manokana izay voalaza ao amin'ny 1 Kôr. 4:5.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Tue 12 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ireo manda miaro ny fifandraisako amin’Andriamanitra.
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna.
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna sy ny Filazantsara.
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (72)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal