Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: NY FAHATEZERAN'ANDRIAMANITRA FITIAVANA - Tsy sitrak’Andriamanitra ny hampahory ny olona.

Daty
Alarobia 29 January 2025

Hita manerana ny Baiboly fa mihetsi-po matetika Andriamanitra manoloana ireo mijaly sy mpampahory, ary mifanaraka amin'izany ny fahatezerany amin'ireo mpampijaly. Tsy ho tezitra Andriamanitra raha tsy misy ny ratsy. Ny fanaovan-dratsy sy fanimbana ny voariny ihany, ary izany hatrany no mahatezitra Azy.

Araka ny voalaza ao amin'ny Fit. 3:32,33, dia tsy sitrak'Andriamanitra ny mampalahelo ny olona (raha adika ara-bakiteny: "tsy avy amin'ny fony" izany). Tsy iriny ny hahatonga loza amin'ny mpanao ratsy, saingy amin'ny farany, ny fitiavana dia mitaky fitsarana ara-pahamarinana.

Hita miharihary io fahamarinana io amin'ny faharetan'Andriamanitra mamela hatrany ny heloky ny vahoakany, sy ny fanomezany azy ireo ombieny ombieny fahafahana hibebaka sy hihavana Aminy. Impiry impiry Andriamanitra no miantso ny vahoakany amin'ny alalan'ny mpaminany fa tsy mety mihaino izy ireo (jereo ny Jer. 35:14-17, Sal. 81:11-14).

Vakio ny Ezra 5:12 ary ampitahao amin'ny Jer. 51:24,25,44. Ahoana no anazavan'izany ny famaizana nahatra tamin'i Jerosalema tamin'ny alalan'ny Babilonianina? (Jereo koa ny 2 Tant. 36:16).

Araka ny voalaza ao amin'ny Ezra 5, rehefa nanao izay mahatezitra mandrakariva an'Andriamanitra ny vahoaka sady tsy nibebaka, dia niala Izy nony farany ary nanolotra ny vahoaka "ho eo an-tanan'i Nebokadnezara Kaldeana, mpanjakan'i Babylona "- Ezra 5:12. Nandefitra anefa Andriamanitra mandra-pahatongan’ny fotoana izay "tsy nisy nahavonjy azy" intsony (2 Tant. 36:16), ary taty aoriana dia namely an'i Babilona Andriamanitra noho ny fanimbana tafahoatra nataony tamin'ny Joda (Jer. 51:24,25,44; ampitahao amin'ny Zak. 1:15).

Maro amin'ireo fitsarana ataon'Andriamanitra no voalazan'ny Soratra Masina ho fanoloran'Andriamanitra ny vahoaka ho eo an-tanan'ny fahavalony (Mpits. 2:13,14; Sal. 106:41,42), mifanaraka indrindra amin'ny fanapahan-kevitry ny vahoaka handao an'Andriamanitra sy hanompo andriamani-kafa (Mpits. 10:6- 16, Deo. 29:24-26). Ny hatezeran'Andriamanitra amin'ny ratsy, izay hiafara amin'ny famongorana tanteraka ny faharatsiana tsy hisy intsony, dia vokatry ny fitiavany antsika rehetra sy ny fitsinjovany izay mahasoa izao tontolo rehetra izao amin'ny farany, izay voakasiky ny fahotana sy ny fikomiana ary ny faharatsiana ihany koa.

Tsy maniry loza na ho an'iza na ho an'iza Andriamanitra. Ahoana no anampian'izany anao hahatakatra ny amin'ny fahatezeran'Andriamanitra? Raha Andriamanitra aza malain-ko tezitra, tsy mainka ve tokony hanam-paharetana sy fahari-po amin'ny ma-nodidina antsika isika? Ahoana no hahavitantsika izany kanefa sady miaro sy mikarakara ireo izay iharan'ny fanaovan-dratsy koa?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 09 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny maha-zava-dehibe ny fitiavana.
Mon 10 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny ataon’ny Fitiavana.
Tue 11 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny tsy ataon’ny Fitiavana.
Wed 12 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fanoritsoritana an’i Jesôsy.
Thu 13 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Finoana, fanantenana ary fitiavana.
Fri 14 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.
Sun 02 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fanomezampahasoavana samy hafa.
Mon 03 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Firaisana ao anatin’ny fahasamihafana.
Tue 04 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Làlana tsara indrindra.
Wed 05 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa.
Thu 06 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny faminaniana.
Fri 07 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (30)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal