Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: NY FAHATEZERAN'ANDRIAMANITRA FITIAVANA - Tsy sitrak’Andriamanitra ny hampahory ny olona.

Daty
Alarobia 29 January 2025

Hita manerana ny Baiboly fa mihetsi-po matetika Andriamanitra manoloana ireo mijaly sy mpampahory, ary mifanaraka amin'izany ny fahatezerany amin'ireo mpampijaly. Tsy ho tezitra Andriamanitra raha tsy misy ny ratsy. Ny fanaovan-dratsy sy fanimbana ny voariny ihany, ary izany hatrany no mahatezitra Azy.

Araka ny voalaza ao amin'ny Fit. 3:32,33, dia tsy sitrak'Andriamanitra ny mampalahelo ny olona (raha adika ara-bakiteny: "tsy avy amin'ny fony" izany). Tsy iriny ny hahatonga loza amin'ny mpanao ratsy, saingy amin'ny farany, ny fitiavana dia mitaky fitsarana ara-pahamarinana.

Hita miharihary io fahamarinana io amin'ny faharetan'Andriamanitra mamela hatrany ny heloky ny vahoakany, sy ny fanomezany azy ireo ombieny ombieny fahafahana hibebaka sy hihavana Aminy. Impiry impiry Andriamanitra no miantso ny vahoakany amin'ny alalan'ny mpaminany fa tsy mety mihaino izy ireo (jereo ny Jer. 35:14-17, Sal. 81:11-14).

Vakio ny Ezra 5:12 ary ampitahao amin'ny Jer. 51:24,25,44. Ahoana no anazavan'izany ny famaizana nahatra tamin'i Jerosalema tamin'ny alalan'ny Babilonianina? (Jereo koa ny 2 Tant. 36:16).

Araka ny voalaza ao amin'ny Ezra 5, rehefa nanao izay mahatezitra mandrakariva an'Andriamanitra ny vahoaka sady tsy nibebaka, dia niala Izy nony farany ary nanolotra ny vahoaka "ho eo an-tanan'i Nebokadnezara Kaldeana, mpanjakan'i Babylona "- Ezra 5:12. Nandefitra anefa Andriamanitra mandra-pahatongan’ny fotoana izay "tsy nisy nahavonjy azy" intsony (2 Tant. 36:16), ary taty aoriana dia namely an'i Babilona Andriamanitra noho ny fanimbana tafahoatra nataony tamin'ny Joda (Jer. 51:24,25,44; ampitahao amin'ny Zak. 1:15).

Maro amin'ireo fitsarana ataon'Andriamanitra no voalazan'ny Soratra Masina ho fanoloran'Andriamanitra ny vahoaka ho eo an-tanan'ny fahavalony (Mpits. 2:13,14; Sal. 106:41,42), mifanaraka indrindra amin'ny fanapahan-kevitry ny vahoaka handao an'Andriamanitra sy hanompo andriamani-kafa (Mpits. 10:6- 16, Deo. 29:24-26). Ny hatezeran'Andriamanitra amin'ny ratsy, izay hiafara amin'ny famongorana tanteraka ny faharatsiana tsy hisy intsony, dia vokatry ny fitiavany antsika rehetra sy ny fitsinjovany izay mahasoa izao tontolo rehetra izao amin'ny farany, izay voakasiky ny fahotana sy ny fikomiana ary ny faharatsiana ihany koa.

Tsy maniry loza na ho an'iza na ho an'iza Andriamanitra. Ahoana no anampian'izany anao hahatakatra ny amin'ny fahatezeran'Andriamanitra? Raha Andriamanitra aza malain-ko tezitra, tsy mainka ve tokony hanam-paharetana sy fahari-po amin'ny ma-nodidina antsika isika? Ahoana no hahavitantsika izany kanefa sady miaro sy mikarakara ireo izay iharan'ny fanaovan-dratsy koa?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal