Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: NY FIJOROANA HO VAVOLOMBELON'IREO SAMARITANA - Fampidirana

Daty
Sabotsy 26 October 2024

SABATA HARIVA
Hodinihina mandritra ny herinandro: Jao. 4:1-42; Jao. 3:26-30; Jer. 2:13; Zak. 14:8; Ezek. 36:25-27. 

Tsianjery: "Ary maro koa no nino noho ny teniny ka nanao tamin-dravehivavy hoe: Tsy noho ny filazanao ihany no inoanay, fa ny tenanay no mandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao." - Jao. 4:41,42 

Iza moa ireo Samaritana? Nobaboin’ny Asirianina ny fanjakana avaratr'Isiraely tamin'ny taona 722 TIK. Mba hisian'ny fahamarinan-toerana ara-pôitika dia naelin'ireo Asirianina manerana ny fanjakan-dehibeny ireo azony ho babo. Nentiny mba honina tany amin'ny fanjakana avaratra ireo babony avy tany amin'ny firenen-kafa, ary ireo no tonga Samaritana, izay nanaraka ny fivavahana jodaisma araka ny fanaony manokana.

Tsy tsara anefa ny fifandraisana teo amin'ireo Samaritana ireo sy ny Jiosy. Ohatra tamin'izany ny nanoheran'ny Samaritana ny fanorenana indray ny tempoly rehefa niverina avy tany Babilôna ireo Jiosy. Nanorina ny tempoliny teo an-tendrombohitra Gerizima ireo Samaritana, saingy narodan'ilay mpanapaka jiosy Jean Hyrcan tamin'ny taona 128 TIK izany tempoly izany.

Mbola nitohy io fifankahalana io tamin'ny andron'i Kristy. Nataon'ny Jiosy araka izay tratrany izay tsy hifampiraharahana amin'ny Samaritana. Nanao fifanakalozana ara-barotra izy ireo, saingy voarara ny fifandraisana ankoatra izany. Tsy azon'ny Jiosy natao ny nindrana tamin'ny Samaritana na nandray fanampiana avy tamin'izy ireo. Ao anatin'izany tontolon-kevitra izany no itantaran’i Jaona ny fihaonan'i Jesôsy sy ilay vehivavy teo am-pantsakana, ary ireo olona tao amin'ny tanana samaritana iray antsoina hoe Sykara. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 19 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fitaovampiadiana mahery vaika indrindra.
Mon 20 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny soratra masina, fahefana.
Tue 21 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fahamarinana ara-baiboly.
Wed 22 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fitakian’ny Baiboly.
Thu 23 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny toe-po.
Fri 24 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal