Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: NY FIJOROANA HO VAVOLOMBELON'IREO SAMARITANA - Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 01 November 2024

Vakio ny "Teo amin'ny fantsakan'i Jakôba", toko faha-19 ao amin'ny IFM.

"Raha vantany vao nahita ny Mpamonjy ilay vehivavy Samaritana dia nitondra Azy teo amin'ny hafa. Nasehony tamin'izay fa misiônera mahomby noho ireo mpianatr'i Jesôsy izy. Tsy nahita na inona na inona tao Samaria izay mampiseho saha mampirisika hiasa ny mpianatra. Nifantoka tamin'ny asa lehibe hatao ho amin'ny hoavy ny sainy. Tsy hitany fa nanodidina azy akaiky dia nisy vokatra tokony hangonina. Nefa tamin'ny alalan'ilay vehivavy izay nohamavoiny dia tanàna iray manontolo no voatarika hihaino ny Mpamonjy. Nentin-dravehivavy avy hatrany tamin'ny mpiray tanàna taminy ny fahazavana.

lo vehivavy io dia mampiseho ny vokatry ny finoana an'i Kristy, dia finoana tsotra, ary avy hatrany dia miasa amim-pahendrena. Ny tena mpianatra marina rehetra dia teraka ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra mba ho misiônera. Izay misotro ny rano velona dia manjary loharanon'aina. Manjary mpanome ny mpandray. Ny fahasoavan'i Kristy ao amin'ny fanahy dia tahaka ny loharano any an'efitra, izay miboiboika mba hampangatsiatsiaka ny rehetra sy hahatonga ireo izay efa ho faty hazoto hisotro ny ranon'aina." - IFM, t. 144, ed. 2023. 

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra :
1. Ivereno ao amin'ny kilasy ny valin-teninao tamin'ny fanontaniana farany tamin'ny Alahady. Aoka ianao haneho fahitsiana manoloana izany. Inona avy ireo fady sy hevitra mibahana mialoha ao amin'ny kolontsaina misy anao, izay mety hanembantsembana ny fijoroanao ho vavolombelona amin'ny hafa?

2. Araka ny hevitrao, nahoana i Jesôsy no noraisin'ireo Samaritana tsara nefa nifanohitra tamin'izany no nataon'ireo olony?

3. Raiso ny toeran'ilay vehivavy Samaritana. Misy olon-tsy fantatra tonga sy mampahafantatra azy fa fantany ny tsiambaratelon-dravehivavy miafina indrindra. Ahoana ary no nahalalan'ny olona, indrindra olona tsy fantany, izany zavatra izany? Tsy nahagaga raha toa nahatalanjona azy i Jesôsy. Inona no tokony hambaran'io tantara io amintsika momba ny fahafantaran'Andriamanitra ny momba antsika rehetra, eny fa na ny tsiambaratelo miafina indrindra izay tsy tiantsika ho fantatry ny olona na iza na iza aza? Na eo aza izany, inona no ambaran'izay nataony tamin'ilay vehivavy mikasika ny fomba tiany hatao amintsika, eny fa na dia fantany aza ny tsiambaratelontsika?

4. Inona tamin'ireo lohahevitra resahin'ny filazantsaran'i Jaona izay nianarantsika hatreto no hita teo amin'ny asa nataon'i Jesôsy tamin'ilay vehivavy teo am-pantsakana? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny
Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO!: Fampidirana

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal