Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: NY FIJOROANA HO VAVOLOMBELON'IREO SAMARITANA - Ny fanambarana nataon’i Jesôsy

Daty
Alarobia 30 October 2024

Vakio ny Jao. 4:16-24. Inona no nataon'i Jesôsy mba hanehoana amin'ity vehivavy ity fa fantany ny tsiambaratelony miafina indrindra? Ahoana no navalin'ilay vehivavy izany.

Namirapiratra loatra ilay fahazavana ka tsy hainy ny nijery azy mivantana. Niaiky ny maha -mpaminany an'i Jesôsy ravehivavy kanefa niezaka niala ny toe-javatra indray. Nametraka fanontaniana tamin'i Jesôsy mikasika ny fifanandrinana ara-pivavahana teo amin'ny Jiosy sy ny Samaritana indray izy, mikasika ny toerana tokony hivavahana.

Ho setrin'izany dia nambaran'i Jesôsy taminy fa tsy mahalala izay ivavahan'izy ireo ny Samaritana.. Fitambaran'ny fivavahana jodaisma sy ny fanao jentilisa mantsy ny fivavahany. Ny Jiosy kosa dia nivavaka tamin'ilay Andriamanitra izay nampahalala ny Tenany - fanamarihana manan-danja izany ho an'ny Samaritana anankiray.

Tsy mifaningotra amin'ny toerana iray tsy akory ny fiankohofana amin'ilay Andriamanitra marina. Tsy nilaina araka izany ny fifanakalozan-kevitra mikasika ny toerana tokony hanaovana fanompoam-pivavahana. Satria Fanahy Andriamanitra, dia tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana izay mivavaka Aminy. Neken'ilay vehivavy ny fahamarinana mazava nambaran'i Jesôsy ary vonona ny handre mihoatra noho izany izy.

Vakio ny Jao. 4:25,26. Ahoana no nampahafantaran'i Jesôsy ny momba Azy tamin’ilay vehivavy?

lo no hany andalan-teny, ao amin'ny filazantsara efatra, izay nanambaran'i Jesôsy mazava tamin'ny olona iray ny maha-Mesia Azy talohan'ny nitsarana Azy. Nilaza izany Izy, tsy teo anoloan'ny vahoaka marobe na ny olo-manan-kaja, fa tamin'ny vehivavy Samaritana iray tsy voatonona anarana, irery, teo amin'ny fantsakan'i Jakôba. Nahaliana Azy ity fanahy manirery izay nahatsiaro ho tafasaraka tamin'ny olona sy irery ity.

Nambaran’i Jesôsy mivantana ny maha-Mesia Azy, tamin'ny vehivavy iray izay tsy hoe hafa fiirenena fotsiny fa olona izay tsy nanana ny fitondran-tena tsara indrindra, rehefa avy nanambara tamin-dravehivavy ny fahafantarany ny tsiambaratelony miafina indrindra Izy, dia nomeny an'ity vehivavy ity koa ny antony iray lehibe tokony hinoany Azy.

Inona no tokony hambaran'io tantara io amintsika mikasika ny antony tokony handravan'ny filazantsara ireo sakantsakana foronintsika olombelona mba hampisaraka antsika? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal