Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: NY FIJOROANA HO VAVOLOMBELON'IREO SAMARITANA - Ny fanambarana nataon’i Jesôsy

Daty
Alarobia 30 October 2024

Vakio ny Jao. 4:16-24. Inona no nataon'i Jesôsy mba hanehoana amin'ity vehivavy ity fa fantany ny tsiambaratelony miafina indrindra? Ahoana no navalin'ilay vehivavy izany.

Namirapiratra loatra ilay fahazavana ka tsy hainy ny nijery azy mivantana. Niaiky ny maha -mpaminany an'i Jesôsy ravehivavy kanefa niezaka niala ny toe-javatra indray. Nametraka fanontaniana tamin'i Jesôsy mikasika ny fifanandrinana ara-pivavahana teo amin'ny Jiosy sy ny Samaritana indray izy, mikasika ny toerana tokony hivavahana.

Ho setrin'izany dia nambaran'i Jesôsy taminy fa tsy mahalala izay ivavahan'izy ireo ny Samaritana.. Fitambaran'ny fivavahana jodaisma sy ny fanao jentilisa mantsy ny fivavahany. Ny Jiosy kosa dia nivavaka tamin'ilay Andriamanitra izay nampahalala ny Tenany - fanamarihana manan-danja izany ho an'ny Samaritana anankiray.

Tsy mifaningotra amin'ny toerana iray tsy akory ny fiankohofana amin'ilay Andriamanitra marina. Tsy nilaina araka izany ny fifanakalozan-kevitra mikasika ny toerana tokony hanaovana fanompoam-pivavahana. Satria Fanahy Andriamanitra, dia tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana izay mivavaka Aminy. Neken'ilay vehivavy ny fahamarinana mazava nambaran'i Jesôsy ary vonona ny handre mihoatra noho izany izy.

Vakio ny Jao. 4:25,26. Ahoana no nampahafantaran'i Jesôsy ny momba Azy tamin’ilay vehivavy?

lo no hany andalan-teny, ao amin'ny filazantsara efatra, izay nanambaran'i Jesôsy mazava tamin'ny olona iray ny maha-Mesia Azy talohan'ny nitsarana Azy. Nilaza izany Izy, tsy teo anoloan'ny vahoaka marobe na ny olo-manan-kaja, fa tamin'ny vehivavy Samaritana iray tsy voatonona anarana, irery, teo amin'ny fantsakan'i Jakôba. Nahaliana Azy ity fanahy manirery izay nahatsiaro ho tafasaraka tamin'ny olona sy irery ity.

Nambaran’i Jesôsy mivantana ny maha-Mesia Azy, tamin'ny vehivavy iray izay tsy hoe hafa fiirenena fotsiny fa olona izay tsy nanana ny fitondran-tena tsara indrindra, rehefa avy nanambara tamin-dravehivavy ny fahafantarany ny tsiambaratelony miafina indrindra Izy, dia nomeny an'ity vehivavy ity koa ny antony iray lehibe tokony hinoany Azy.

Inona no tokony hambaran'io tantara io amintsika mikasika ny antony tokony handravan'ny filazantsara ireo sakantsakana foronintsika olombelona mba hampisaraka antsika? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Fampidirana.
Sun 14 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Ny trano-lay fihaonana.
Mon 15 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Mba hahalalako Anao.
Tue 16 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Mba ampahitao ny voninahitrao aho.
Wed 17 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Ny fanambaran’Andriamanitra momba ny tenany.
Thu 18 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Namirapiratra ny tavan’i Mosesy.
Fri 19 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fampidirana.
Sun 07 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Tsy fahaiza-mitondra.
Mon 08 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fanompoan-tsampy sy ny faharatsiana.
Tue 09 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Efa nanao ratsy ny olonao.
Wed 10 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fahatezeran’Andriamanitra ara-drariny.
Thu 11 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Vavaka fanelanelalana
Fri 12 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fianarana fanampiny’
Sat 13 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Fampidirana.
Sun 21 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Ny sabatan’i Jehôvah.
Mon 22 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Ny fanatitra sy ny Fanahy Masina.
Tue 23 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Voaorina ny tabernakely.
Wed 24 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Ny fanatrehan’Andriamanitra tao amin’ny Tabernakely.
Thu 25 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Nonina niaraka tamin’ny olombelona i Jesôsy.
Fri 26 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal