Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: NY FIJOROANA HO VAVOLOMBELON'IREO SAMARITANA - " Tompoko omeo izany rano izany aho "

Daty
Talata 29 October 2024

"Dia hofafazako rano madio ianareo, ka hadio; ny mba ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo. Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo. Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalako sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy." - Ezek. 36:25-27.

Ahoana no anehoan'ny Ezek. 36:25-27 ireo fahamarinana izay tian'i Jesôsy hampahafantarina an'i Nikôdemosy sy ilay vehivavy teo am-pantsakana?

Tao anatin'ireo toe-javatra roa ireo, dia nitady izay fomba hanatrarana ireo olona ireo tamin'ny fahamarinana ara-panahy i Jesôsy, na dia sary an'ohatra avy tamin'ny zava-misy teo amin'ny fiainana andavanandro aza no nampiasainy tamin'izany.

Samy tsy nahatakatra izay tian'i Jesôsy hambara izy roa ireo; azo antoka izany tamin'ny voalohany. Nanontany i Nikôdemosy ny amin'ny fomba hahafahan'ny olona iray hateraka indray, 'zany hoe, ahoana no hiverenany ao an-kibon-dreniny? Hita mazava fa nisaina araka an'izao tontolo izao sy araka ny tany i Nikôdemosy, na dia fahamarinana ara-panahy aza no notondroin'i Jesôsy mazava mba hifantohany. Ilay vehivavy koa dia nandray ara-bakiteny ny tenin'i Jesôsy mikasika ny rano kanefa zavatra ara-panahy no noresahin'i Jesôsy taminy.

Izao no navaliny teo anatrehan'ny fanomezan'i Jesôsy azy ny rano velona: "Tompoko, omeo izany rano izany aho, mba tsy hangetaheta na hanketo hantsaka intsony." - Jao. 4:15. Noheveriny fa hampitsahatra ny dia lavitra fanaony mba hantsaka ny rano izay omen'i Jesôsy, ka hampihena ny mety ho fifanenany amin'ny olona. Mahagaga tokoa ny niovan'ny resaka, avy amin'ny fangatahan'i Jesôsy rano hosotroina ho amin'ny fangatahan'ilay vehivavy rano taminy.

Vakio ny Jao. 4:16. Inona ny navalin'i Jesôsy ny fangatahan'ilay vehivavy?

Tampoka teo dia novan'i Jesôsy ny anton-dresaka ka nilazany ravehivavy mba hiantso ny vadiny ary hiverina eo Aminy. Inona no anton'izany fiovan'ny anton-dresaka tampoka izany? Nitory fiafinafenana ny fihetsik'ilay vehivavy kanefa hitan'i Jesôsy ny tao am-pony. Tsy maintsy atrehiny ny toe-javatra iainany mba hahitany fahasitranana. "Alohan'ny ahazoan'ity fanahy ity mandray ny fanomezana izay iriny atosaka aminy, dia tsy maintsy tarihina izy hanaiky ny fahotany sy hanaiky ny famonjeny." - IFM,  t. 137. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (43)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal