Eritrereto ny tsindrin-tsakafo tianao indrindra. Tsara ho an'ny fahasalamana ve izany? Mety mampiasa tantely ianao hanamamiana izany, na koa mampiasa tantely Manuka noho ireo tombontsoa voalazan'ny mpitsabo fa azo avy aminy (Ny tantely Manuka dia karazan-tantely avy any Nouvelle-Zelande izay miavaka amin'ny tantely hafa rehetra noho ny fananany molekiola mahery vaika izay manampy ny vatana hanohitra otrikaretina samihafa). Raha efa nanandrana nihinana toho-tantely ianao dia hahalala fa mamy aoka izany ny tsirony, ary malefaka ery izy raha miempo ao am-bavanao.
Antsoin'ny mpanao Salamo hoe toho-tantely ny Baiboly ao amin'ny Sat. 119:103,104 - sary an'ohatra maneho zava-mahafinaritra izany: "Endrey ny hamamin'ny teninao, raha andramako! Mihoatra noho ny tantely ato am-bavako aza! Ny didinao no nahazoako fahalalana."
Inona no hevitry ny hoe "Ny didinao no nahazoako fahalalana" - Sal. 119:104? Nahoana izany hevitra izany no manan-danja ho an'ny fahatakarana ny fiantraikan'ny fandinihana ny Baiboly eo amintsika?
Eny tokoa, mamy ho an'ny fanahintsika ny Tenin'Andriamanitra ary tsy misy tahaka azy izay atolotr'izao tontolo izao ho antsika. Tsy tahaka ny tsindrin-tsakafo sasany ny Tenin'Andriamanitra fa fanasitranana ho an'ny fanahintsika ary koa manova ny toetrantsika. Raha nisy fotoana nialanao lavitra an'Andriamanitra, dia mandohaleha ka sokafy ny Teniny ary misotroa avy amin'ny rano velona izay hany hanome fahafaham-po ny hetahetanao.
Ao amin'ny Isa. 55:1-13 no amelabelaran'ny mpaminany ny hafatra voalaza teo aloha. Manokana fotoana hamakiana ity toko ity izao, ary valio ireto fanontaniana ireto:
• Inona no omen'ny Tompo ho an'izay manatona Azy mba "hohaniny" ao amin'ny Teniny?
• Inona ny fanasana alefany aminao eto? • Inona ny fihaikana apetrany?
• Inona ny teny fikasany? Ny Tenin'Andriamanitra velona sy mahery dia manindrona sy mahatratra hatramin'ny fontsika sy ny saintsika ary ny fanahintsika, fihaikana apetrany ho antsika ny hitombo ao amin'i Kristy. Tsy afaka manao izany ho antsika anefa ny Baiboly raha tsy manokana fotoana sy ezaka isika (eny, mitaky ezaka izany) mba handalina ny Teny amin'ny toe-tsain'ny fileferana sy ny fanetren-tena ary ny fanekena hanaraka ny fampianarany.
Inona avy ireo fomba azo tsapain-tanana ahafahanao mitady an'i Jehovah "dieny mbola hita Izy" - Isa. 55:6?