Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.

Daty
Alakamisy 30 April 2026

Eritrereto ny tsindrin-tsakafo tianao indrindra. Tsara ho an'ny fahasalamana ve izany? Mety mampiasa tantely ianao hanamamiana izany, na koa mampiasa tantely Manuka noho ireo tombontsoa voalazan'ny mpitsabo fa azo avy aminy (Ny tantely Manuka dia karazan-tantely avy any Nouvelle-Zelande izay miavaka amin'ny tantely hafa rehetra noho ny fananany molekiola mahery vaika izay manampy ny vatana hanohitra otrikaretina samihafa). Raha efa nanandrana nihinana toho-tantely ianao dia hahalala fa mamy aoka izany ny tsirony, ary malefaka ery izy raha miempo ao am-bavanao.

Antsoin'ny mpanao Salamo hoe toho-tantely ny Baiboly ao amin'ny Sal. 119:103,104 - sary an'ohatra maneho zava-mahafinaritra izany: "Endrey ny hamamin'ny teninao, raha andramako! Mihoatra noho ny tantely ato am-bavako aza! Ny didinao no nahazoako fahalalana."

Inona no hevitry ny hoe "Ny didinao no nahazoako fahalalana" - Sal. 119:104? Nahoana izany hevitra izany no manan-danja ho an'ny fahatakarana ny fiantraikan'ny fandinihana ny Baiboly eo amintsika?

Eny tokoa, mamy ho an'ny fanahintsika ny Tenin'Andriamanitra ary tsy misy tahaka azy izay atolotr'izao tontolo izao ho antsika. Tsy tahaka ny tsindrin-tsakafo sasany ny Tenin'Andriamanitra fa fanasitranana ho an'ny fanahintsika ary koa manova ny toetrantsika. Raha nisy fotoana nialanao lavitra an'Andriamanitra, dia mandohaleha ka sokafy ny Teniny ary misotroa avy amin'ny rano velona izay hany hanome fahafaham-po ny hetahetanao.

Ao amin'ny Isa. 55:1-13 no amelabelaran'ny mpaminany ny hafatra voalaza teo aloha. Manokàna fotoana hamakiana ity toko ity izao, ary valio ireto fanontaniana ireto:

• Inona no omen'ny Tompo ho an'izay manatona Azy mba "hohaniny" ao amin'ny Teniny? 
• Inona ny fanasana alefany aminao eto? • Inona ny fihaikana apetrany? 
• Inona ny teny fikasany? Ny Tenin'Andriamanitra velona sy mahery dia manindrona sy mahatratra hatramin'ny fontsika sy ny saintsika ary ny fanahintsika, fihaikana apetrany ho antsika ny hitombo ao amin'i Kristy. Tsy afaka manao izany ho antsika anefa ny Baiboly raha tsy manokana fotoana sy ezaka isika (eny, mitaky ezaka izany) mba handalina ny Teny amin'ny toe-tsain'ny fileferana sy ny fanetren-tena ary ny fanekena hanaraka ny fampianarany.

Inona avy ireo fomba azo tsapain-tanana ahafahanao mitady an'i Jehôvah "dieny mbola hita Izy" - Isa. 55:6? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal